♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Mahajanga i Mgr ZYGMUNT ROBASZKIEWICZ, pretran'ny Fikambanana Misionnaires de la Sainte Famille, Eveka nitantana ny Diôsezin'i Morombe... ♦ Nahasarika mpandraharaha na ireo te ho mpandraharaha hatrany amin'ny 600 isa ilay " Forum national des entrepreneurs" andiany faha-4... ♦ Hitory ireo tambazotra mpandoro ala sy faritra arovana ary ireo mpandripaka ny harem-pirenena ny fikambanana Tato-Miavo miaraka amin'ireo fiaraha-monim-pirenena miaradia aminy... ♦ Fiadiana ny tompon-daka eran-tany, taranja baolina kitra : resin'i Equateur, omaly, i Quatar ekipa mpampiantrano, raha nisantatra ny lalao fifanitsanana isam-bondrona... 

21 nôvambra — Raha ao amin'ny Evanjely efatra ao amin'ny Baiboly, dia tsy ahitantsika ny tantaram-piainan'i Maria Virjiny, fa ny boky apocryphe antsoina hoe Protévangile de Jacques no ahitana izany tantara izany. Ny protévangile dia midika hoe "Evanjely voalohany".

I Kristiy no nanorina ny Sakramentan'ny Batemy mba hahafahan'ny olombelona ho tonga zanak'Andriamanitra satria noho io Sakramenta io dia afaka amin'ny fahotana tamin'ny fototra isika sy nandova ara-dalàna ny tena endrik'Andriamanitra araka ny efa nahariana antsika. I Jesoa Kristy dia nanaiky atao Betemy tamin'ny alalan'i Joany Batista.  Katesizy momba ny batemin'i Jesoa, iarahana amin'i P. Rafaralahomboa Justolat.

Alatsinainy 21 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Misaotra Anao aho, ry Ray Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 1-4

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...