Tamin’izany andro izany, nisy hevitra tonga tao an-tsain’ireo mpianatra, dia ny amin’izay lehibe aminy. Fantatr’i Jesoa ny hevitra tao am-pony, ka naka zaza kely anankiray Izy napetrany teo anilany, dia hoy Izy tamin’izy ireo: "Na iza na iza mandray itony zaza kely itony amin’ny Anarako dia mandray Ahy, ary na zovy na zovy mandray Ahy dia mandray Ilay naniraka Ahy; fa izay kely indrindra eo aminareo rehetra dia izy no lehibe." Dia niteny i Joany nanao hoe: "Ry Mpampianatra ô, nahita olona anankiray nandroaka demony tamin’ny Anaranao izahay, ka noraranay, satria tsy namantsika izy." Fa hoy i Jesoa taminy: "Aza raràna, fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo."
Isika tsirairay avy no biriky mandrafitra ny rindrin'ny tranom-pahavanonana. Aoka harisika isika hanao jeritodika ny tontolo androm-piainana ary entina ao amin'ny vavaka izay atao amin'Andriamanitra. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
♦ "Mila ezaka ny fiainana ny voady", io no hafatra napetraky ny Lehiben'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco, nandritra ny voady notononin'ireo frera 22 mirahalahy... ♦ Nandefa hafatra, manentana ny rehetra hihavana amin'ny voaary i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Ny fitoviana ao amin'i Kristy dia mandrava ny endri-pahasamihafana rehetra, hoy ny Papa François nandritra ny "Audience générale"...
Nitsangana teo akaikin'ny Hazofijalian'i Jesoa ny Reniny sy ny rahavavin-dreniny, dia i Maria vadin'i Kleôfasy, ary i Maria Madelenina. Nony hitan'i Jesoa ny Reniny sy ilay mpianany malalany nitsangana teo akaikiny, dia hoy Izy tamin-dReniny: "Ravehivavy, indro ny zanakao". Ary hoy koa Izy tamin'ilay mpianatra: "Indro ny Reninao". Ka hatramin'izay dia noraisin'ilay mpianatra ho any aminy izy.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco