01 ôktôbra — I Thérèse de l'Enfant Jésus, na i Thérèse de Lisieux na i Thérèse Kely, dia teraka ny 02 janoary 1873, ary roa andro tao aorian'io, izany hoe ny 04 janoary izy no natao Batemy tao amin'ny fiangonana Notre-Damle d'Alençon. I Louis Martin no rainy, mpanamboatra famantarandro izy io, ary Zélie-Marie Guérin no reniny, mpanao dentelles no asany. 

Sivy mianadahy no naterak'izy mivady, fa ny efatra tamin'izy ireo dia nodimandry mbola kely avokoa. Izy mivady ireo dia efa nanolotra ireo zanany ireo tamin'Andriamanitra fony ireo zaza ireo mbola tany am-bohoka satria noheveriny fa fanomezan'Andriamanitra izy ireo. Dia tò tokoa ny faniriny satria izy dimy mirahavavy velona dia lasa relijiozy avokoa : ny efatra tao amin'ny Carmélites ary ny iray tao amin'ny fikambanana Visitandine.

Raha hiverenantsika kely ny momba an'i Thérèse Kely dia vao efa-taona sy tapany monja izy no nondaosin'ny fahafatesana ny reniny, ka ireo zokiny vavy no nanampy ny rainy tamin'ny fitaizana sy ny fanabeazana azy. Ireo zokiny vavy ireo moa dia i Marie, i Pauline, i Léonie sy i Céline. Fianakaviana katôlika ny fianakavian'i Louis Martin ary isa-maraina dia mamonjy ny Sorona Masina, manaraka ny fifadian-kanina sy ny tetiandro litorjika ity fianakaviana ity. Teo amin'ny fahafito taonany i Thérèse, izany hoe ny taona 1880, no nandray ny sakramentan'ny Fampihavanana ary tena tsy andriny mihitsy ny handraisana an'i Jesoa ao amin'ny sakramentan'ny Eokaristia tamin'ny nahitany an'i Céline, zokiny, nandray ny Kômonio voalohany tamin'io taona io. Tamin'izany fotoana izany ihany koa no efa nananan'i Thérèse fahitana ny hanjo ny rainy, dimy ambin'ny folo taona any aoriana. Fahoriana ho an'i Thérèse ny nandehan'ireo zokiny nanao relijiozy, zokiny izay nataony ho solon-dreny, ary nisy fotoana àry, nampandraiky marary azy mihitsy teo amin'ny fahasivy taonany. Fa nampisava ny alahelon'i Thérèse ny fahafahany nandray ny Sakramenta Masina voalohany ny 08 mey 1884. Najainy fatratra ny torohevitr'ireo zokiny sy ny rainy mpitantana azy am-panahy, amin'ny fomba fandraisana sy fitiavana an'i Jesoa. Misy hatrany moa ny fiomanana alohan'ny handraisana Kômonio ka antitranterin'ireo pretra ny hoe : inona ireo fahotana tsy azo atao sy ny fahotana mahafaty ary ny fitsarana farany.

Teo amin'ny fahadimy ambin'ny folo taonany i Thérèse no nilaza tamin'ny rainy ny faniriana hiditra ao amin'ny fikambanan'ny Carmélites, na dia teo aza ny fisalasalan-drainy amin'ny mbola mahazaza azy. Nanaiky ihany ny rainy, fa ny dadatoany no tsy nanaiky. Nandà fatratra ihany koa ny pretra lehiben'ny fikambanan'ny Carmel, Delatroëtte. Nanatona ny evaka, Mgr Hugonin izy mianaka fa tsy nahazo valiny mahafapo, ary hany herin'izy ireo dia ny fivahinianana masina tany Rome mba hihaona amin'ny papa Léon XIII. Rehefa nihaona tamin'ny papa izy ireo dia nitalaho tamin-dranomaso nefa mbola tsy nahazo valinteny mahafapo ihany. Fa ny 01 janoary 1888 dia nahazo taratasy fiantsoana avy amin'ny masera lehiben'ny fikambanana i Thérèse Kely, ka ny volana aprily no handraisan'ny fikambanana azy, izany hoe ny 09 aprily 1888. Andro nankalazana ny Annonciation io daty io.

Ny fiainan'i Thérèse dia fiakarana mitohy hatrany, mankany amin'Andriamanitra, ary tao anatin'izany ny fangirifiriana sy ny fijaliana lalina, nefa dia nekeny tamim-pifaliana sy fitiavana izany noho ny fitiavany an'i Jesoa, araka ilay namabrany hoe : "Tsy manam-paniriana lehibe, afa-tsy ny hitia an'i Jesoa aho". Raha fintinina dia ny lalam-pitiavana no lalan'i Thérèse Kely, lalan'ny fanetren-tena sy ny hatsaram-panahy, fahatsorana ao amin'ny fitiavana. Ny fiainany nandritra ny sivy taona tao amin'ny Carmel dia fitiavana sy fiafiana, fanoloran-tena tanteraka sy vavaka ary nosinganiny manokana ny vavaka ho an'ny pretra. Marihana fa ny 30 septambra 1897 izy no nodimandry ary nasandratry ny papa Pie XI ho olontsambatra ny taona 1923, nambara fa olomasina kosa ny taona 1925. Anisan'ny teny tsy afaka tao am-bavan'i Thérèse Kely ny hoe : "Holaniako amin'ny fanaovan-tsoa ety an-tany ny lanitro". Tamin'ny fankalazana ny faha-100 taonan'ny nahafatesany, ny papa Joany Paoly II no nanambara fa anisan'ny Mpampianatry ny Fiangonana i Masimbavy Thérèse de l'Enfant Jésus. Izy izany no Mpampinatry ny Fiangonana fahatelo amby telopolo.

[Miara-dàlana] Zoma 15 nôvambra 2024

  • Manohina ny fon'i Jesoa ny fangirifiriantsika Malagasy, hoy ny Hafatry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tao aorian'ny fivorian'izy ireo...
  • Voafidy ho Filohan'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'ny Diôsezin'i Morondava...
  • Mandray anjara lehibe amin'ny fampandrosoana ny fiaraha-monina ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara, hoy i Mgr Fridolin Ambongo Besungu, Arsevekan'i Kinshasa, Filohan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...