02 ôktôbra — Ankalazain'ny Fiangonana amin'ity daty ity ny fetin'ny Anjely Mpiambina satria mino isika fa izy ireo dia nomen'Andriamanitra iraka sy fahefana ho antsika olombelona. Tsy misalsala ny amin'izany isika satria hitantsika ao amin'ny tenin'Andriamanitra izany. Eo ihany koa ny fampianaran'ireo Mpampianatry ny Fiangonana sy ireo olomasina ary ny fahefan'ny Fiangonana.

Raha tonga mihaodiaody manodidina antsika mantsy ireo demony tsy hita isa, dia ireo Anjely ireo no efa vonona handripaka azy ireo, araka ny lazain'i Masindahy Pierre hoe "Mankahery antsika ny mihevitra fa nomen'Andriamanitra mpiaro marobe sy mahery noho ny demony isika". Vao tonga ety an-tany ny olona rehetra dia efa ankinin'Andriamanitra amin'ny Anjely Mpiambina ny tsirairay. Na mpanompo sampy, na mpanome fampianaran-diso, na mpanota dia samy nosoavin'Andriamanitra avokoa. Misy aza dia manana Anjely Mpiambina maro mihitsy, ohatra amin'izany ny hoe : ny rafitra, fiarah-monina... Raisintsika ho ohatra ny Fiangonana, ny fanjakana, ny faritany, ny diôsezy, ny fianakaviana, ny fikambanan-drelijiozy... ireny rehetra ireny dia manana mpiambina avokoa.

Ny Anjely dia natao hiaro antsika amin'ireo ratsy sy ny loza marobe. Mitondra antsika hiala amin'ny fandriky ny fahotana izy. Izy ireo ihany koa no manampy antsika hihevitra ny tsara sy mitondra antsika amin'ny hatsaram-panahy. Miaro antsika amin'ny fakam-panahy ireo Anjely ireo, manome hery antsika izy tsy ho latsaka amin'ny halemena. Izy no manarina antsika raha sendra hakiviana isika, mankahery antsika raha sendra osa. Izy ireo no miara-miady amintsika amin'ny asan-demony. Raha latsaka amin'ny fahotana isika, dia izy no mampitraka antsika hiverina amin'ny finoana sy manoro antsika ny fibebahana. Ireo Anjely MPiambina ireo no mitondra ny asa soa sy ny vavaka ataontsika amin'Andriamanitra ary mangataka ho antsika ny famindramon'Andriamanitra mba tsy hiharan'ny hatezeran'Andriamanitra isika amin'izay fahotana ataontsika. Izy ihany koa no manazava sy mankahery antsika amin'ny aretina sy amin'ny andro hahafatesantsika. Miaraka amintsika lalandava ny Anjely Mpiambina, eny fa na amin'ny fotoana hitsaran'Andriamanitra antsika aza.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...