Ilay ny mampiasa ilay fahefana anaty, izay ananan'ny tsirairay. Mba hiova sy hihatsara ny fiainan'ny olona iray dia tsy maintsy manao ezaka izy handresy ny sakana anaty, ary manome vahana ny fahefana anaty. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
29 septambra — Tsaroan’ny Fiangonana amin’ity daty ity ireo arakanjely indrindra fa i Michel, i Gabriel, ary i Raphaël. Misy antoko sivy manko ireo anjely, ary misy antana-tohatra telo. Dia eo ilay antsoina hoe : “Anges, Archanges, ary ny Principautés”.
28 septambra — Niaina tamin’ny toanjato fahafolo i Wenceslas, Vratislav ny rainy, duc tao Bohême ary olona nalaza tamin’ny ara-panahy, Drahomira kosa no reniny, mpanompo sampy izy io ary nankahala tanteraka ny kristianina. Nanan-janaka iray antsoina hoe Boleslav ihany koa izy, izay nobeaziny tao anatin’ny fanompoan-tsampy.
Nandefa taratasy fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'i Mgr Tomasz Grysa, Nonce apostolique vao voatendry hiasa eto Madagasikara ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka, Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina. Nambarany fa vonona amin'ny fiaraha-miasa ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara.
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco