Ilay ny mampiasa ilay fahefana anaty, izay ananan'ny tsirairay. Mba hiova sy hihatsara ny fiainan'ny olona iray dia tsy maintsy manao ezaka izy handresy ny sakana anaty, ary manome vahana ny fahefana anaty. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 marsa 2025

• Tafajoro ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny Aumônerie de Catholique de l'Administration Pénitencière na ny ACAP, izay miandraikitra ireo mpikatroka eny anivon'ny fonja... • Ny 26 sy 27 avrily 2025 no hanatanterahana any Vohipeno ny pelerinazy diosezanina, iarahana amin'ny Olontsambatra Lucien Botovasoa... • Manosika antsika kristianina hanova fiainana ny faharetan'Andriamanitra, hoy ny Papa François omaly, tao amin'ny fandalinam-pinoana nomaniny, nozaraina tao amin'ny tranon-kalam-pifandraisan'i Vatican...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...