Ny volana "JONA" dia fotoana natokana hanehoana ny fitiavan-tanindrazana, ny antoky ny fampandrosoana ny firenena dia io fitiavan-tanindrazana io. Ny volana "JONA" dia volan'ny Fanahy Masina, fanilo mitantana sy manoro lalana ny tsirairay ; fa volan'ny tafika Malagasy ihany koa ny volana "JONA", mampiavaka azy koa ny maha iray volan'ny ankizy azy. Ny iray volan'ny Teny Malagasy dia afahana manasongadina ny fitiavan-tanindrazana ihany koa ... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Hihaona amin'ny Papa Léon XIV any Vatican ireo Evekan'i Madagasikara ; izy ireo izay manao fivahinianana Masina ao Rôma... ♦ Mitodika eny Tsimbazaza ny fahalianan'ny mpanara-baovao politika. Hihaona amin'ny solombavambahoaka ireo mpikamban'ny governemanta anio sy rahampitso zoma, horesahina ny fiainam-pirenena... ♦ Hotanterahana eto Madagasikara ny herinandro fampiroboroboana ny Indostria ao amin'ny SADEC. Hetsika hotanterahana ny 28 hatramin'ny 1 aogositra izao. Handray anjara amin'izany ny Malagasy Mpandraharaha...

12 jona — Misy Masindahy Guy roa no ho resahintsika androany : ny voalohany dia i Masindahy Guy Vignotelli tao Cortone. Izy ity dia fransisikanina teraka tamin’ny taona 1187, andriana izy io fa mahay manetry tena sy mandray olona tokoa.

Ny anton-draharahan'ny Eveka voalohany indrindra dia mitory Evanjely amin'ny olona rehetra noho ny fanampian'ny Fanahy Masina. Fahefana natolotra azy ireo avy any an-danitra sy ety an-tany io ka ny hampianatra ny firenen-drehetra sy ny hitory ny Vaovao Mahafaly amin'ny voaary manontolo no mamehy izany fahefana izany ; tanjona ny ahazoan'ny rehetra famonjena... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 septambra 2025

Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...