♦ Nisy ny fihaonana niarahan'ny Filohan'ny Fanavaozana Randrianirina Michaël sy ireo Filoham-pirenena mirahalahy teo aloha Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampianina Hery, omaly teny amin'ny Lapam-panjakàna Iavoloha... ♦ Manomboka amin'ity talata 28 jolay 2026 ity ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, izay karakarain'ny CENI. Hisy ny hetsika maro samihafa manerana an'i Madagasikara hanombohana izany... ♦ Miahiahy amin'ireo zava-mitranga niteraka fahatapahan-jiro tato ho ato ny orinasa JIRAMA. Nosokafana ny fanadihadiana momba ireo tranga nahatonga fahatapahan-jiro ireo...
♦ Nitohy androany teny Tsimbazaza ny fanadihadiana sy fihainoana ny tompon'andraikitra tao amin'ny JIRAMA nataon'ny solombavambahoaka. Nambara nandritra izany fa isan'ny nahapotika ny JIRAMa ny fahadisoan'ny mpitondra nifandimby... ♦ Hanomboka ny 3 aogositra izao ny Fy Dnon Bosco ao Moramanga. Efa an-jatony ireo nisoratra anarana hatramin'ny androany hoy ny tompon'andraikitra... ♦ Tsara ny voka-bary tao amin'ny Faritr'i Bongolava tamin'iny taom-pambolena lasa iny. Manantena ny hihatsaràn'ny vidim-bokatra ny tsantsaha ao Bongolava hoy Andriamatoa Ranarivelo Lucien, solombavambahaoaka ao Tsiroanomandidy...
♦ Ny tsara ho fantatra mikasika ireo dingana hahafahana mampiditra ny anaran'ireo olom-pirenena ao anatin'ny lisi-pifidianana... ♦ Mampanahy ny mety hiverenan'ny toe-draharaha tamin'ny taona 2009 ka hamahana ny krizy any ivelany, raha tsy mahay mifampihaino ny samy Malagasy hoy ny antoko Kintana... ♦ Efa anatin'ny fandaharan'asa ny fitsinjovana ireo olona noravaina trano hoy ny SPAT ; hisitraka tany maimaimpoana 250m2 ireo rava trano tao Toamasina... ♦ Sambany tsy naharenesana zera baomban'ny amerikanina tany Iran, alina...
♦ Tontosa omaly alahady ny fanamasinana an'ny Mgr Jeannot Martial Andrianandrainy ho Eveka mpanampy ao amin'ny Diôsezin'i Morondava... ♦ Hisongadina amin'ity herinandro vaovao diavintsika ity ny fanombohan'ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana... ♦ Tsara fanombohana ny ekipam-pirenena Malagasy Ankoay zazalahy latsaky ny 18 taona tamin'ny lalao voalohany amin'ny fifanintsanana afrobasket. Resiny 115 no ho 31 i Namidie... ♦ Tsy nanadino ireo tanora portugais nankalaza ny androm-pirenena ho an'ny Tanora ny Papa Léon XIV. Fihaonana izay nanohizana ny hafatra sy ny hafanam-po navelan'ny JMJ 2023...
• Hotanterahana ny alahady ho avy izao ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, notendren'ny Papa Léon XIV, ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina… •“Inoy izay vakianao, ampianaro izao inoinao, arahao izay ampianarinao”, io no lohahevitra hifanentanana sy hifampizarana mandritra ny fihaonamben'ny pretra diosezanina, hotanterahana ny 12 hatramin'ny 16 novambra 2026 any amin'ny Diosezin'Antsirabe… • Ny asa no fon'ny toekarena, hoy ny Ray masina, nandritra ny Audience générale, ny alarobia lasa teo…
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco