Ny "Mikea" dia niantsoana ilay "ala voajanahary" mbola lavitry ny tavy sy ny fitrandrahana samihafa, fa taty aoriana noho ny tosika nahazo ireo foko (Masikoro, Mahafaly) nanodidina io ala io  dia nitsofoka nitady fierena sy sakafo tao izy ireo, ireto farany no lasa nantsoina hoe "Mikea". Ny Mikea dia olona niaina tamin'ny fihazàna, fiotazana, tsy nampiasa vilany fa nahalala sy nampiasa afo. Ny toerana misy ny Mikea dia iny faritr'i Toliara II hatrany Morombe iny. Ireo Mikea dia efa mifandray amin'ny olona sy ny fandrosoana ary ankehitriny dia sady misy fampitana ny soatoavin-drazany no manovo ny fampianarana môderina izy ireo...

♦ Mbola tsy nodinihina teny amin'ny Antenimieram-pirenena ny fanesorana ny tombon-jo ananan'ny solombavambahoaka Antoine Rajerison hoy ny Andriamatoa Fidèle Razara Pierre. Nambarany anefa fa azo atao tsara ny miroso amin'izany... ♦ Nisy fikorontanana ny famatsiana herinaratra tamin'ny tambajotra iraisan'Antananarivo. Nisy olana ny iray amin'ireo milina mpihary herinaratra eny Mandroseza, nanomboka omaly... ♦ Manao antso amin'ny solombavambahoaka mba hankatoa ny lalàna fanitsiana ny teti-bolam-panjakàna ireo Tantsaha mpamboly "orge" any Vakinankaratra, hampihenàna ny hetra alaina amin'ny mpandray ny vokatra...

Tsy maintsy hajaina sy tandrovina eo amin'ny fiainana ara-toe-karena sy ara-tsôsialy ny fahamendrehan'ny olombelona. Nandritry ny taon-jato mifandimby dia ny fahazavan'ny Evanjely hatrany no nentin'ny Eglizy nampiseho ny fitsipiky ny rariny sy ny hitsiny, na eo amin'ny tsirairay na eo amin'ny fiainam-piaraha-monina... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny fivoarana ara-toekarena ", iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

• Mbola tsy nandalo teo anivon'ny fivorian'ny Birao Maharitra eny Tsimbazaza aloha, hatramin'ny androany alatsinainy, ny fanesorana ny tombon-jo ananan'ny Solombavam-bahoaka Antoine Rajerison... • Mpiadina 50.454 no miatrika ny adina ara-batana amin'ny taranja fanatanjahan-tena Bakalorea 2026, ho an'Antananarivo sy ny manodidina. Fanadinana nanomboka androany ka hatramin'ny 19 jona 2026... • Mandray anjara amin'ny fankalazana ny iray volan'ny teny malagasy, ny Faribolana Sandratra. Hetsika nampitondraina ny anarana: “Hadimiana Sandratra”, izay natomboka tamin'ny fomba ofisialy androany, ao amin'ny Efitrano DOX, eny amin'ny tranombokim-pirenena...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...