Boky Fanisana (Fanis. 11, 25-29)
Tamin’izany andro izany,
nidina teo amin’ny rahona ny Tompo dia niteny tamin’i Môizy;
nangalany ny Fanahy izay tao amin’i Môizy,
ka nataony tao amin’ny loholona fitopolo lahy,
naminany izy ireo raha vao tonga tao aminy ny Fanahy,
nefa tsy notohiziny izany.
Nisy olona roa lahy, atao hoe Eldada ny anankiray, ary i Medada ny anankiray,
nijanona teo an-toby;
ary tonga tao amin’izy ireo ny Fanahy;
anisan’ny voasoratra izy ireo nefa tsy nankany amin’ny trano lay,
ary naminany teo an-toby izy.
Dia nihazakazaka nilaza izany tamin’i Môizy ny zazalahy anankiray, nanao hoe:
“Maminany atsy an-toby i Eldada sy i Medada”.
Niteny niaraka tamin’izay i Jôsoe, zanak’i Nona,
mpanompon’i Môizy hatry ny fony tanora, ka nanao hoe:
“Ry Môizy tompoko ô, rarao izy roa lahy”.
Fa hoy ny navalin’i Môizy azy:
“Noho ny amiko va no ialonanao?
Enga anie ka ho mpaminany avokoa ny vahoakan’ny Tompo,
ary hataon’ny Tompo ao aminy ny Fanahiny”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 18, 8. 10. 12-13. 14
Ny lalàn’ny Tompo lavorary,
mamelombelona fanahy;
ny didin’ny Tompo mahatoky,
mampahendry olon-tsotra.
Ny tenin’ny Tompo madio,
maharitra mandrakizay;
ny fitsaràn’ny Tompo koa marina,
samy rariny avokoa.
Koa ny mpanomponao mankasitraka ireny,
fa tombontsoa ireny raha voatandrina.
Ny hadisoan’ny tena, tsy mba hita:
avelao ny ota izay tsy tandriko.
Ny avonavona iarovy ahy,
ity mpanomponao anie tsy ho voafehiny,
ka dia ho afaka amin’ny loto
sy ny hadisoana bevava.
Taratasin’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 5, 1-6)
Anareo mpanan-karena kosa indray izao:
Mitomania sy migogogogoa, fa indro ny lozanareo efa midona.
Ny harenareo efa lo;
ny fitafianareo efa lanin’ny kalalao;
ny volamena sy ny volafotsinareo efa harafesina;
ary ny harafesiny dia hiampanga anareo,
sy handevona ny nofonareo, toy ny afo.
Efa nanangona hatezerana ho anareo ho amin’ny andro farany ianareo.
Indro, mitaraina ny karaman’ny mpiasa nijinja ny taninareo izay nofetsenareo;
ary efa mby ao an-tsofin’ny Tompon’ny tafika ny fitarainany.
Nivelona teto an-tany tamin’ny hanim-py ianareo sy nanaram-batana tamin’ny fahafinaretana;
namoky ny fonareo tamin’ny andro fandringanana ianareo.
Nanameloka sy namono ny olo-marina ianareo, fa tsy nanohitra anareo izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Sokafy ny fonay, ry Tompo, mba hitandremanay ny tenin’ny Zanakao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 37-42. 44. 46-47)
Tamin’izany andro izany,
namaly ny tenin’i Jesoa i Joany ka nanao taminy hoe:
“Mpampianatra ô,
nahita olona anankiray nandroaka demony amin’ny Anaranao izahay;
nefa tsy namantsika ka noraranay”.
Fa hoy i Jesoa:
“Aza raranareo izy;
fa tsy misy olona hanao fahagagana amin’ny Anarako ka hanaratsy Ahy vetivety foana.
Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika.
Na iza na iza hanome rano eran’ny kapoaka anareo amin’ny Anarako,
satria an’i Kristy ianareo,
dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy.
Ary na iza na iza hanafintohina ny anankiray amin’ireny madinika mino Ahy ireny,
dia tsaratsara kokoa ho azy ny hanantonana vato fikosohan-dafarîna amin’ny vozony,
ka havarina any anaty ranomasina izy.
Raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy,
fa aleo kilemaina miditra any amin’ny fiainana ianao,
toy izay manan-tanan-droa avarina any amin’ny gehena,
dia any amin’ny afo tsy azo vonoina.
Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao; tapaho izy,
fa aleo tapa-tongotra an’ila miditra any amin’ny fiainana ianao,
toy izay manana tongotra roa avarina any amin’ny gehen’afo tsy azo vonoina.
Raha ny masonao no manafintohina anao, esory izy,
fa aleo toka-maso miditra any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ianao,
toy izay mana-maso roa avarina any amin’ny gehen’afo,
izay tsy mety maty ny olitr’izy ireo ary tsy azo vonoina ny afo”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Alahady faha-25 mandavantaona - B : Ny fialonana mandrava fitiavana, ny fanetren-tena ahavitana soa ; Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy. Ny boky ny Fahendrena dia mitondra fampianarana mba hijoro hatrany amin'ny maha mpivavaka na dia eo aza ny fanenjehana sy ny fitsapana maro. Misy fiavahana ny fisainana sy ny fomba fiainan'ny mpino sy ny tsy mpino : manelingelina ny tsy mpino ny fitondran-tena sy ny fiainan'ireo mpino, tian'iretsy voalohany ho tsapaina sy fongorina. Ny mpino dia mila maneho ny finoana ary mangina manoloana ny fandrabirabiana ary mila mijanona amin'ny fahatokisana an'Andriamanitra.; mijoro hatrany ary tsy mandao ny marina...
♦ Kandidà hiantoka ny fitoniana sy ny fampandrosoana an'i Madagasikara no tadiavin'ny antoko miara-dia amin'ny fitondrana amin'ny fifidianana ben'ny tanàna sy ny mpanolontsaina amin'ny 11 desambra izao. Fanehoan-kevitry ny Sekretera Nasiônalin'ny Antoko TGV, Rasoamaromaka Hery... ♦ Navoaka tamin'ny fomba ôfisialy tao Antsirabe ny pôlisy nahavita fiofanana tao amin'ny ENIAP 1.200 isa mahery, nanome voninahitra izany ny Praiministra... ♦ Singa miantoka ny fahavitan-tena ara-tsakafo, fanamby hotratrarin'ny fitondram-panjakàna ny fampiasan'ny tantsaha ny masomboly nohatsaraina sy ny fampitomboana ny tany volena hoy ny solombavambahoaka Razafindrabary Richard, filohan'ny vaomiera misahana ny fampandrosoana eny ambanivohitra...
♦ Nampitandrina an'ireo manana fikasana hanakorontana mandritra ny zotra-pifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina amin'ity taona ity ny fitondram-panjakàna. Tsy maintsy hadray fepetra mifanandrify amin'izany ny fanjakàna hoy ny mpitondra tenin'ny Governemanta Vola Miranty Dona... ♦ Manantena ny fitsaràna, hitsara am-pitoniana sy am-pahamarinana ny fitoriana napetr'izy ireo ny mpisolo vava an'Andriamatoa Marc Ravalomanana. Nametraka fitoriana teny amin'ny fitsaràna misahana ny ady amin'ny fanjakàna momba ny fanapahan-kevitra noraisin'ny CENI izy ireo... ♦ Omena sehatra mandritra ny andiany faharoa amin'ny foaran'Analamanga ny vokatra Vita Malagasy...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco