Ry kristiana havana, Ry vahoaka malagasy miombona ato anatin'ny FFKM. Tononinay ho anareo rehetra ny Fahasoavana sy ny Fiadanana avy amin' Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompo izay miombona ao amin'ny Fanahy Masina. Ny teny fanevan'ny FFKM dia mampahatsiaro antsika ny andraikitra lehibe napetraky ny Tompo amintsika, dia ny mba hananantsika ilay fanahin'ny mpampihavana.
Aza atsipy lavitra loatra toy ny vato natsindry lamba ny fihavanana, sao mandrivotra rahampitso ka tsy hahita vato intsony. Karakarao sy kenakenao ny Fihavanana. Aza misy manao tanàna ivelan'ny vohitra na voasary ivelan'ny saha, ka hifanilika hanimba fihavanana. Aoka hijoro amin'ny fahamarinana hatrany isika ao anatin'izany fiainana anjakan'ny fihavanana izany.
Amin’izao Krismasy izao ry havana ny FFKM, ny Filoham-piangonana efatra mirahalahy ary ny Birao Foibe dia mirary soa ho antsika rehetra hankalaza ity andro lehibe ho antsika kristiana ity. Ho krismasy feno Fiadanana sy Fanantenana anie izao Krismasy 2024 izao. Mampahery antsika rehetra hahay handray llay TENY TONGA NOFO izay nanetry tena hiara honina ety amintsika. Krismasy famonjena sy Fanavotana hitondra antsika hiorina tsara amin'ny finoana Azy Andriamanitra anie izao krismasy izao.
Mirary soa ho antsika rehetra koa ny amin'ny taombaovao 2025 izay ho avy tsy ho ela. Fanirianay avy aty amin'ny Foibe FFKM ny hahita ny Fiangonana hifanatona akaiky hanomana ny androm-bavaka eran-tany (18-25 Janoary 2025), ka tsy hanao toy ny tandindona manjohy olona, ka raha maloka dia misaraka. Ho taombaovao hampihavana sy hampifanakaiky antsika anie izao taona vaovao homen'ny Tompo antsika izao.
Mampirisika antsika rehetra ary mba hijoro ho vavolombelon'ny fampihavanana sy ny fahatahorana an'Andriamanitra eo amin'ny fiainana andavan'andro. Ho tahaka ny volamena mitaham-boahangy anie ny mpino rehetra ato amin'ny FFKM ka ho tafaray samy soa. Ho tantely sy ankondro ka tafaray samy mamy. Sakamalao sy sakay eh, ka tafaray miara monina samy mafana, satria tsy keliray mitafy jiafotsy isika, ka tafaray samy maivana.