Ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara dia faly miarahaba antsika jiaby, tratran'ny Noely sy ny Taom-baovao 2025. Tonga, teraka eo anivontsika i Jesoa. Tonga miara-dia amin'izao tontolo izao, ary miara-dia amin'ny Eglizy. Tonga, teraka ao an-tranon'omby Izy, tranon'omby izay sisin-dalan'ny fiaraha-monina. Mampahatsiaro antsika àry i Jesoa, mba tsy ho tavela, tsy ho adino eo amin'ny sisin-dalana ny ankizy mahantra sy mijaly.
I Jesoa sy ny mahantra no mpiara-dia tsy azo adinoina, mba ho todisoa ary ho feno hafaliana ny fiarahan-dia. Taon-jobily ity taona 2025 ity, taonan'ny fanantenana ihany koa. I Jesoa, miara-monina amintsika, miara-mijaly amintsika, no fanantenana tokana tsy manodoka. Fanantenana tsy mety maty, tsy mety diso. Fanantenana mihoatra noho ny fahafatesana. Fanantenana mihoatra noho izay irin'ny fontsika. Miantso antsika i Jesoa hifanome tanana, tsy hifamono fa hifamelona, ary ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Tsy ampy ny hoe tsy miady isika, fa tsy maintsy mifandray sy mifanampy satria mpiara-dia isika.
Ny Evekan'i Madagasikara dia manasa antsika mianakavy mba hanankina ity nosintsika ity amin'ny Fo Masin'i Jesoa, ny alahady 18 mey 2025, any amin'ny Ilot de la Vierge any amin'ny Diôsezin'i Miarinarivo Itasy. Hamindran'i Jesoa fo anie isika, ka hifamindra fo, hampitsahatra ireo fototra mampijaly ny mpiara-dia: ny risoriso, ny fanapotehana ny tontolo iainana, ny toe-tsaina tia tena mamono sy mampahantra. Diôsezy folo no hiara-hankalaza ny faha-70 taonany amin'ity taona ity: Jobily ao anatin'ny Jobily, mba ho Diôsezin'ny fanantenana, dia i Jesoa no mitarika antsika, mitarika ny olona rehetra ho amin'ny fiainana, ary fiainana be dia be, fiainana maharitra. I Jesoa no hanome aina antsika. Diôsezy miara-dia isika, miaraka amin'ireo mijaly sy marary, mba tsy hojerena ho vato misakana izy ireo: ireo ankizy eny an-dalana; fa hojerena ho toy ny hery mitondra antsika manakany amin'ny fanantenana. Ary mba hobeazina izy ireo, omena ny zony mba hampiadana ity nosintsika ity.
Hoentanin'ny fanantenana, dia i Jesoa, anie isika. Izy mitari-dalana antsika mba tsy ho diso, mba tsy ho very fanantenana isika fa hanana fanantenana na inon-kidona na inon-kihatra. Mitsodrano antsika rehetra, indrindra ireo ankizy mijaly sy mahantra.