Ry kristianina havana sy isika vahoakan’Andriamanitra rehetra, homba antsika mianakavy anie ny Fiadanan’ny Tompo. Tapitra izay ny fotoana niomanantsika amin’ny fiavian’ny Tompo. Nanomana ny vatana sy ny fo amam-panahintsika isika, mba handray ilay MESIA nampanantenaina. Ka dia tonga tokoa ny Noely, fety lehibe mamin’ny fontsika indrindra, satria mampahatsiaro antsika ilay “Emanoela”; izany hoe: “amintsika Andriamanitra” (Mt 1, 23). Rahefa tonga Nofo tokoa i Jesoa, “Ilay hamonjy ny olony” (Mt 1, 21) dia nanambara tamintsika fa “Zanak’andriamanitra isika” (Jo 1, 12- 13).
Ety an-tany, raha misy zanak’olo-malaza, zanak’olo-manam-pahefana, dia mahazo hery izy, hilaozan-tahotra, mandry ivohon’ny vato satria tsy manan-kahiana; mainka moa fa isika izay tonga Zanak’Andriamanitra, Ilay Mahefan’ny zavatra rehetra sy mahatanteraka izay tiany ho tanterahina!
Koa arahabaina àry isika rehetra fa nahatratra ny fetin’ny Noely, loharano nahalalantsika sy mahatonga antsika ho resy lahatra tanteraka fa “Zanak’Andriamanitra isika!”. Enga anie ho teraka ao am-pontsika tsirairay avy i Jesoa ary hampitombo hatrany ny finoantsika. Enga anie Izy hitondra fiadanana sy fahasalamana ho antsika rehetra.
Tsy ho an’ny vahoaka Hebrio ihany no nahatongavany, fa ho antsika olombelona rehetra tsy misy avakavaka, ho antsika Malagasy indrindra koa. Tonga ilay Fahazavana lehibe, dia i Jesoa Kristy Mpamonjy, mba hanala antsika ao anatin’ny haizin’ny tsifahalalana sy ny fanompoan-tsampy ary ny fahafinaretan’ny nofo, hanala antsika ao anatin’ny haizin’ny ny fitiavan-tena mbamin’ny asan’ny demony izay manandevo antsika. Tonga i Kristy anio, mba hanafaka ahy, hanafaka anao, hanafaka antsika.
Mampandon-tratra antsika ry havana ny fahenoana fa hoe tany an-tranon’omby i Jesoa no teraka, satria tsy nahita toerana tany amin’ny tranom-bahiny, kanefa tandremo fa tsy ny olona tamin’izany fotoana izany ihany no tsy nanome toerana an’i Jesoa fa matetika isika amin’izao fotoana izao koa. Impiry moa isika no manidy ny fontsika rehefa mandom-baravarana amintsika Jesoa?
Iza avy àry ireo olona tsy mba nety nandray an’i Jesoa? Maro karazana izy ireo: ao ireo olona efa mba nandre ny momba azy ihany, kanefa mikiribiby tsy mety hibebaka. Ao ireo andevozin’ny fahazaran-dratsy sy ny fahotana, ka milomano ao anatin’ny haizina, hany ka tsy mety handray ny fahazavana. Ao ireo manadino Azy ka lasa manosihosy ny mahantra sy ny madinika ary ny kamboty, ao ireo tsy mampisy hasiny ny antony nahatongavan’i Jesoa teto an-tany ka manitsakitsaka ny fahamarinana, ny rariny sy ny hitsiny...
Sao anisan’ireny ianao? Raha eny, mbola tsy tara, mibebaha, mivonona handray ilay Mpamonjy, ovao ny fo ary maneke! Fa tonga hamonjy anao i Jesoa, hankahery anao ary tsy te hisaraka aminao na oviana na oviana.
Tsy teraka ao Betilehema intsony i Jesoa, izao ankehitriny izao, fa teraka ao am-ponao. Teraka ao am-ponao Izy anio, te hanova anao, te hiaraka aminao, te honina mandrakariva ao anatinao. Fahazavana izy, te hanilo ny dianao, te hanazava ny fonao sy ny sainao, mba hahalalanao Azy sy hitiavanao Azy ary hahatonga anao ho mpianany.
Koa mirosoa amim-pitokiana miaraka amin’Andriamanitra Raintsika àry isika, miaraka amin’i Kristy Zokintsika, miaraka amin’ny fianakaviamben’ny Zanaka’Andriamanitra rehetra iray tampo amintsika…
Ny mandray an’Andriamanitra eo amin’ny fiainany dia ny mijoro, miala amin’ny zavatra mahafinaritra ny tena fotsiny, miala amin’ireo tebitebin’ny tena sy ny ahiahy manokana mba handeha sy hizotra hanatona ny hafa, hihaona amin’ny hafa, ny mahantra, ny marary, ny tsy mpino, amin’ireo izay miandry sy mila fanampiana sy fanantenana.
Inona tokoa moa no hatahorantsika fa momba antsika Andriamanitra Raintsika? Indrindra fa amin’izao fotoana lehibe hidirantsika amin’ny taon-jobily lehibe izao izay fotoana sarobidy anamparan’Andriamanitra amintsika zanany rehetra ny herin’ny Fitiavany sy ny famindram-pony?
Vao mainka hianoka hasambarana isika, hianoka fitokiana ao amin’Andriamanitra Raintsika satria “ny Ray aman-dreny tsy mahafoy zanaka” na dia eo amin’ny ara-nofo aza, mainka fa Andriamanitra Raintsika tsy hahafoy antsika na oviana na oviana!
Ho ela velona anie isika zanak’Andriamanitra rehetra! Hitondra ny fiainana araka ny mahazanak’Andriamanitra antsika ka hanandratra avo ny Anaran-dRay, soa indrindra!
Enga anie isika rehetra mba samy hahazo ny fanomezam-pahasoavana sy ny famonjena, avy amin’izao fety lehibe ankalazantsika ny nahaterahan’ny Mpamonjy izao.
Hitondra fiadanana sy hafaliana ho antsika tokoa anie ny fankalazana ny Noely, hampitombo ny fitiavantsika an’i Jesoa sy ny namana. Ho tanteraka amintsika tsirairay avy anie izany.
Dia mirary antsika hahatratra ny taona vaovao 2025 izay higadona tsy ho ela, izay taona vaovao hirariana ihany koa mba hitondra soa sy fanambinana ho antsika rehetra.