♦ Nahavita ny fihaonana notanterahana teto Madagasikara ireo lehiben'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco manerana ny Faritr'i Afrika sy Madagasikara, miaraka amin'ireo solontena isaky ny Province... ♦ Hihena hatrany amin'ny 80% ny delestazy ho an'Antananarivo sy ny manodidina, hoy ny Tale Jeneralin'ny Jirala androany. Ankoatra ny tsy fahampian'ny rano ao Andekaleka dia nanampy trotraka ny tsy fahampian'ny menaka mavesatra avy any Toamasina... ♦ Nanatanteraka hetsika ho firaisan-kina manoloana ny zava-nanjo ny namany, ny Sendikan'ny Mpitsara eto Madagasikara...

Zava-misy : mampiavaka an'i Madagasikara ny oratsimba (langouste) anatin'ny vanim-potoana fanjonoana azy ity ny faritra maro manerana ny nosy. Inona no tombony azon'ny mponina amin'ny faritra misy azy?. Fandaharana " zava-misy" iarahana amin'i Rasamimanana Marc.

Fizarana ny traik'efam-piainana niarahana tamin'i Gisela, mahakasika ny sinaodin'ny tanora, Sinaody ho fankalazana ny faha-200 taona ny nofin'i Don Bosco, izay natao tany Turin ny 11 hatramin'ny 16 Aogositra lasa teo... Fandarahana "onjam-panahy" iarahana amin'i Anna Domoina eto amin'ny RDB.

♦ Nandeha tamin'ny ampahany ny asam-pitsaràna teny Anosy ny maraina teo, nandritra ny hetsiky ny SMM. Hihaona amin'ireo tompon'andraikitra ambony ny fitakiana ireo mpitsara... ♦ Tokony hitandrina ny filoha amin'ny teny lazainy amin'ny vahoaka, manoloana ny olan'ny jiro sy rano ankehitriny hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena iray... ♦ Manomboka midina ny fari-pahaizan'ny mpianatra, noho ny delestazy misy amin'izao, hoy ireo mpampianatra. Maro ireo tsy miana-desona sy tsy mahavita enti-mody, noho ny tsy fisian-jiro amin'ny hariva... ♦ Sarona ny tambajotra mpanodikodina volam-panjakàna any Burkina-Faso. Mpiasa maro anivon'ny ministeran'ny asa any an-toerana no efa nosamborina sy natao fanadihadiana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...