♦ Nandefa hafatra noho ny fankalazana ny tsingerin-taona faha-62 ny Vondrona Afrikana ny filohan'ny  SCEAM fivondronamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara. Nampitondraina ny lohateny hoe " Aoka ho mpanorina an'i Afrika iriantsika, isika" izany hafatra izany... ♦ Tsy misy ny fahaleovantena sy ny fiandrianam-pirenena, 65 taona aty aorian'ny nahazoana ny fahaleovantena fa mitady hiverina ny fanjanahana amin'ny endriny vaovao hoy ny solombavambahoaka Gascar Fenosoa... ♦ Ny 20% amin'ny mponina tena mahantra eto Madagasikara ihany no misitraka ny fandaharan'asa haraton'aina, raha ny nambaran'ny Banky Iraisam-pirenena...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...