Mahazo vahana tato ho ato ny fahaverezana zaza na ankizy tsy ampy taona, miparitaka amin’ny peta-drindrina, na ny tambazotran-tserasera samihafa ny filazana izany. Manaporofo izany ihany koa ny tatitra nomen’ny Polisim-pirenena izay milaza fa miisa 45 ny filazana zaza very voarain’izy ireo tao anatin’ny dimy volana voalohany tamin’ity taona 2025 ity, ka ny 17 tamin’ireo dia voaray tamin’ity volana mey ity fotsiny.

Miseho amin’ny endrika samihafa ity fahaverezana zaza na ankizy tsy ampy taona ity: misy ny hala-jaza tsotra izao, toa ireny halatra zaza varira any atsimo ireny; misy ihany koa anefa ny fandosirana tsotra izao, miala ny tranon’ny ray aman-dreny, vokatry ny ditra natao, noho ny tahotra ny ho bedy na ho voakapoka. Fa mbola isan’ny antony mampiala ny ankizy ao an-tokantranony ihany koa ny fiankinan-doha be loatra amin’ny tambajotran-tserasera, indrindra ny Facebook, ka lasa fakany toro-hevitra sy lesona ny hafatra anatin’izy ireny. Misy ihany koa ny hala-tahaka amin’ireo namany izay lasa mamonjy toeram-pilanonana: toy ny fanaovana karaoké ohatra, ka rehefa tonga any dia raikitra ny fisotrosotroana, rehefa mamomamo dia lasa tarihan’ny namany any ambadimbadika any ka tsy tafody an-trano intsony.

Isan’ny fototry ny olana ihany koa ny tsy fahampian’ny fanabeazana avy amin’ny ray aman-dreny. Tsy ny ara-batana sy ara-tsaina ihany mantsy ny fanabeazana, fa ny ara-panahy ihany koa. Tsy ankinina irery amin’ny ray am-panahy fotsiny ny fanabeazana, fa adidin’ny ray sy ny reny niteraka indrindra ihany koa. Mila mampiseho eo anetrahan’ny zanany izay beaziny ny ray aman-dreny, fa mahay mifankatia sy mifanaja. Tsy ampy fitiavana sy tambitamby ny zanaka rehefa hitany fa miady lava ny ao an-tokantrano ao. Vokany, lasa any ivelan’ny tokantrano no mitady izay fitiavana izay izy, ka raha vao mahita olona mahay mandangolango sy manabitamby azy, dia mifikitra amin’iny olona iny, ary adinony tanteraka ny fisian’ny tokantranony.

Tsy manam-potoana loatra ihany koa ireo ray aman-dreny hitafatafana sy hanaraha-maso ny zanany, fa variana amin’ny fitadiavana isan’andro, manoloana ny hasarotam-piainana ankehitriny. Hany ka any ivelany ireo ankizy no mitady sy mameno ny banga izay tsy hitany ao an-tokantrano. Indraindray ihany koa misy ny fahadisoan’ny ray aman-dreny amin’ny fampihantana be loatra ny zanany: omeny finday avo lenta sy vola be hanaovana gouter ny zanany. Miteraka olana anefa io, indrindra moa rehefa zatra mahazo an’izany ny ankizy: amin’ny fotoana mety tsy hanan’ny ray aman-dreniny izany vola sy finday avo lenta izany, dia any an-kafa izy ireo no mitady ary mety hihafara amin’ny fivarotan-tena mihitsy aza. Ny tena loza dia miafara amin’ny herisetra na fanolanana… eny hatramin’ny fandatsahana aina an’ireo ankizy mihitsy aza, ny fandosirany ny tokantranony.

Ilàna vahaolana maty paika sy haingana ary maharitra ny tranga mampihoron-koditra toy izao. Isan’ny fitaovana mahomby ho aro fanina amin’izany ny onjampeo tahaka itony, ho fanabeazana ny olona tsy an-kanavaka. Maro ihany koa ireo ivo-toerana fandraisana an-tanana sy fiarovana ny ankizy, ka tokony hanampy amin’ny fanabeazana sy ny fanentanana eny ifotony izy ireny. Tsy tokony hiala andraikitra amin’izay fanabeazana ny maha olona feno izay ny ray aman-dreny, fa ny fanehoam-pitiavana asehon’izy ireo ny zanany, dia efa arofanina lehibe tsy hampibirioka ny zaza sy ny ankizy. Manampy be dia be amin’ny fanabeazana ny ankizy ihany koa ny fanatrehan’ny ray aman-dreny ny sekolin’ny ray aman-dreny na ny “écoles des parents” eny anivon’ireny sekoly ireny, Ka tsara ny manatrika izany araka izay azo atao. Tsy tokony hifanome tsiny sy hifanilika andraikitra ary hitsoaka adidy ny rehetra, fa manana adidy avokoa amin’ny fanabeazana ny ankizy, na ny ray aman-dreniny, na ny sekoly sy ny Fiangonana, ary ny fiaraha-moniana manontolo, koa aoka àry samy handray ny andraikitra tandrify azy ny rehetra fa “Aina ity, hoy i Rainimanonja”. “Efa halohalika ny ranom-bary” ka aoka mba samy hijoro ho arofanina hisorohana ny fandosiran’ny zaza sy ankizy miala ny tokantrano sy ny herisetra mianjady amin’izy ireny. “Ny adidy, hono anie, tsy an’olon-dratsy e !”

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 mey 2025

• Fiombonam-bavaka sy fiaraha-mientana amin'ny fanohanana sy fanampiana ny seminera no fandaharam-potoana isaky ny fetim-bokatry ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Zanaky ny Fiangonana miisa 220 mianadahy no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana omaly, namaranana ny fitsidihana pastoraly tao amin'ny Distrikan'Ambohimena, Diosezin'Antsirabe... • Nosokafana tamin'ny sabotsy teo teny amin'ny EKAR Masimbavy Anne Anjomakely, ny faha-10 taonan'ny Ansiklika Laudato Si...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...