Sabotsy 16 janoary 2021 — Herinandro voalohany mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 2, 13-17

Foana tamin'ny ora farany ny fivoriambe izay saika hotanterahan'ny mpiasan'ny fahasalamana noho ny fanapahana teo anivon'ny Préfécture an'Antananarivo. Nisy tamin'ireo mpitarika sendikaly sasany ny nilaza fa nahazo taratasy fandrahonana avy amin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka. Nilaza ny tsy maintsy hiroso amin'ny fitokonana faobe izy ireo, raha tsy mivaly ny fitakiana...

Mikaikaiky noho ny tsy fahampian'ny rotsak'orana na ny fahataran'izany ny tantsaha amin'ny faritra maro tamin'ity taom-pambolena ity. Tsy ampy ho an'ny fanombohana ny famokarana ny rotsakorana amin'ny fiandohan'ny taom-pahavaratra tamin'ity taom-pambolena 2020 sy 2021 ity... 

♦ Nampahafantarin'ny HCC ny didy manendry Solombavambahoaka roa vaovao, hisolo toerana ny Solombavambahoaka iray nodimandry sy iray hafa voafidy ho Loholon'i Madagasikara... ♦ Ialokalofan'ny valan'aretina Covid-19 ny fanombohan'ny taom-pitsarana 2021, hoy ny Filoha voalohan'ny Fitsarana antampony eto Antananarivo, tsy sakana amin'ny fanatanterahana ny asa anefa ny fisian'io aretina io...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...