Sabotsy 16 janoary 2021 — Herinandro voalohany mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 2, 13-17

Ry kristianina havana ! Manefa iraka i Jesoa, mitety ny faritra sy ny vohitra rehetra ; mitady antsika Izy hovonjeny ; Izy mihitsy no miditra eo amin’ny fiainantsika. Matetika Izy no mankeny amoron-dranomasina : ny antony dia tsy hoe hitsangatsangana no alehany eny, fa mazàna eny no be olona ary tsy mpanarato ihany na mpividy trondro ihany fa misy koa ireo olona mankeny amin’ny torapasika mba haka rivotra fotsiny. Araraotin’i Jesoa hitorina ny Vaovao Mahafaly ireny olona ireny satria ny ankamaroan’ireny olona eny amoron-dranomasina ireny dia tsy hieritreritra velively mihitsy hoe hisy sehatra toy izany eny. Maro ko moa ireo vahoaka nanaraka azy nahita ny fahagagana nataony sy ny fampianarany izay voalaza fa mampianatra toy ny manana fahefana Izy, ka eny amoron-dranomasina no toerana malalaka ahafahany manao izany.

Etsy an-danin’izany anefa dia tsy mitsahatra miantso olona hiara-miasa Aminy i Jesoa : i Levi no nantsoiny eto, izay lasa hoe Matio, mpanoratra ny Evanjely, taty aorina. Voalaza fa mpanota i Levi ary teo koa ny asany izay manamafy izany maha mpanota azy izany. Tsy hiantso ny marina Aho anefa, hoy i Krsity, fa ny mpanota hibebaka ka anisan’ny zava-dehibe io fibebahana io matoa vao nitory Izy dia io no nantsoiny. Misy zavatra tsara ilain’ny Tompo ao amintsika ao, koa raha manaiky mamaly ny antsony isika dia tsy izay maha mpanota antsika no midika inona fa izay zavatra tsara izay no ilainy amintsika ka anirahany antsika hiara-miasa Aminy. Aza mihevitra ny tena ho mpanota àry, dia ho voasakana tsy hamaly ny antso, fa ny mpanota mibebaka sy miova no ilain’i Jesoa.

Raha resaka fibebahana sy fiovana kosa indray dia maro ireo ohatra azontsika alaina tahaka ao amin’ny Baiboly, indrindra ao amin’ny Evanjely. Anisan’ny voalaza eto i Matio sy ireo olona maro nampibebahan’i Jesoa. Aoka isika rehefa tapa-kevitra hiova sy hiala amin’ny ratsy mahazatra, dia tena hiala tanteraka tokoa ary hanova fiainana fa tsy hanao izany ho fahalemena ka lasa kilalao ilay fibebahana. Manatona ny mpanota i Jesoa, satria ireny no mila fitsaboana. Aretina ny fahotana araka ny efa voalazantsika tany aloha, ka ny marary no mila tsaboina. Manamafy izay voalazantsika tany aloha ihany àry hoe mila manatona ny mpitsabo ny aretin’ny fanahintsika koa isika, raha mahatsapa fa marary na manam-pahotana, fa raha mijanona fotsiny amin’izao isika dia tsy ho sitrana mihitsy. Aza mitaiza aretina, aza mitahiry fahotana fa mandehana mamonjy ny olona nahazo fahefana hanasitrana izany raha marary ny fanahinao.

[Miara-dàlana] Zoma 15 nôvambra 2024

  • Manohina ny fon'i Jesoa ny fangirifiriantsika Malagasy, hoy ny Hafatry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tao aorian'ny fivorian'izy ireo...
  • Voafidy ho Filohan'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'ny Diôsezin'i Morondava...
  • Mandray anjara lehibe amin'ny fampandrosoana ny fiaraha-monina ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara, hoy i Mgr Fridolin Ambongo Besungu, Arsevekan'i Kinshasa, Filohan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...