Sehatra voalohany ifankaherezana sy ifanohanana ny fianankaviana. Ny fankaherezana ny zanaka dia manampy azy hanorina ny maha-izy azy, hivelatra ara-tsaina sy ara-piaraha-monina ka antoka ho an'ny hoaviny. Ny fifankaherezan'ny mpivady dia mampiroborobo ny fifankatiavana sy manampy azy ireo hanatsara hatrany ny fifandraisany, ary mampivelatra ny maha-olona ny tsirairay... 

Nametraka fandaminana, hanampiana sy hanamorana ny fandalovan'ireo olona avy any atsimon'ny nosy, handeha hila ravin'ahitra any amin'ireo faritra hafa eto Madagasikara ny teo anivon'ny Ministeran'ny Mponina, ny Ministeran'ny Fitaterana sy ny BNGRC...

Zoma 15 janoary 2021 — Herinandro voalohany mandavantaona — Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Marka 2, 1-12

Tafakatra folo ny isan'ireo olona voasambotra ary nampidirina am-ponja, voarohirohy tamin'ilay raharaha volamena 73,5kg. Andrasana ny ho valin'ny fampiraharahana natao momba ny famerenana eto Madagasikara ireo olona voasambotra tatsy Afrika Atsimo...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...