Zoma 15 janoary 2021 — Herinandro voalohany mandavantaona — Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Marka 2, 1-12

Ry kristianina havana ! Araka ny nambara tamintsika nandritra ity herinandro voalohany anombohan’i Jesoa ny asa anirahan’ny Ray azy ity, dia maro ireo olona sitranin’i Jesoa ary maro koa no entin’i Marka amintsika maneho ny asa fahagagana lehibe sady maro ataon’i Jesoa, izay mila ny finoana avy amintsika. Ny finoana moa dia midika fankatoavana na fanekena izany asa mahagaga lehibe izany ihany koa. Miantefa amintsika araka ity Evanjely ity ny antso ataon’ny Papa François amin’ilay katesizy manasitrana an’izao tontolo izao hoe tsy tokony hijery fotsiny ireo marary manodidina antsika isika na ireo olona marefo fa mila manampy azy ireny ary mila mifanampy.

Tsy nijery fotsiny ny namany malemy ireto mpiara-monina aminy fa nanao izay nahatongavany teo amin’i Jesoa mba ho sitraniny. Vokatry ny finoana izany rehetra izany : finoan’ilay malemy, fa finoan’ireo nitondra ihany koa. Rehefa entanin’ny finoana isika dia mahita ny fomba rehetra hamonjena ny namantsika na inona na inona mety ho sakana. Eto dia misy ifandraisany avokoa ny finoana, ny aretina ary ny fahotana ka ny vokatry ny fifandraisan’ireo dia ny famelan-keloka. Efa voalazantsika tany aloha fa fahefana nomen’andriamanitra an’i Jesoa ny famelan-keloka ary afindrany amin’ireo irany sy ny dimbiny, koa aoka isika hatoky izany, indrindra amin’ny famelan-keloka andrasantsika amin’Andriamanitra be famindram-po fa tsy tahaka ireto mpanora-dalàna sasany tao amin’ny Evanjely. Na izany na tsy izany anefa dia zava-dehibe ary ambony indrindra amin’ireo ny finoana. Amin’ny alalan’ny finoana no ahafahantsika mahazo fanasitranana amin’ny aretina ; amin’ny alalan’ny finoana no ahazoantsika famelan-keloka sy famindram-po ; ary dia mbola izay finoana izay ihany koa no manosika antsika hanao ireo dingana maro takiana ahatanteraka izany rehetra izany. Tsy vitan’ny mipetrapetra-potsiny ny fahasoavana vao azo fa mila ny ezaka rehetra ataontsika, koa aoka isika hiara-mientana mandrakariva mba hifanampy ary hifampitondra mankany amin’ny fiainana fa tsy makany amin’ny fahaverezana sanatria.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...