Mikaikaiky noho ny tsy fahampian'ny rotsak'orana na ny fahataran'izany ny tantsaha amin'ny faritra maro tamin'ity taom-pambolena ity. Tsy ampy ho an'ny fanombohana ny famokarana ny rotsakorana amin'ny fiandohan'ny taom-pahavaratra tamin'ity taom-pambolena 2020 sy 2021 ity...
Tany amin'ny volana oktobra tany ho any no nisy ny rotsak'orana voalohany saingy zara raha nisy izany ka maina ny andro nanomboka teo ka hatramin'izao. Ny tantsaha izay efa manana fahazarana, manomboka ny asa rehefa tonga ny volana oktobra na ny fiandohan'ny volana novambra. Faritra maro teto amin'ny nosy no nianjadian'izay fahamainan'ny andro izay ka nahatonga ireo tantsaha nampaneno lakolosy ny faraparan'ny volana novambra fa hanamaloka ny taom-pamokarana ity tsy filatsahan'ny orana ity. Niakatra koa nefa ny vidim-bary... Nanaitra ny fanjakàna sy ny mpamatsy vola handray andraikitra ny tantsaha sy ny Vodron'ny tantsaha manoloana izay toetr'andro izay. Nanazava ny Fanjakàna tamin'ny alalan'ny ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny jono sy ny teo anivon'ny sampana mpamantatra ny mety ho toetry ny andro.