♦ Ampahafantarina amin'izao antoandro izao eny amin'ny Lapam-panjakàna Iavoloha ireo ministra mpikamban'ny Governemanta vaovao. Mpanao politika maromaro no tazana mandrafitra izany... ♦ Nisy andian'olom-pirenena nilanja sora-baventy teny anoloan'ny Ambasady Frantsay ny antoandro teo. Aoka tsy hitsabahan'i Lafrantsa intsony ny fitantanana ny firenena Malagasy hoy izy ireo... ♦ Mitaky ny hanesorana ny Tale jeneralin'ny JIRAMA ny Sendikàn'ny mpiasan'ny angovo sy rano malagasy. Mandrahona hitarika ho any amin'ny fitokonana ihany koa izy ireo... ♦ Nampiakatra ny raharaha nanamelohana an'ingahy Jair Bolsonaro higadra ny mpisolovava azy...
♦ Mety hivoaka anio ny anaran'ireo ministra mpikamban'ny Governemanta hotarihin'ny Praiministra Herintsalama Rajaonarivelo. Anio amin'ny 11 ora no hampahafantarina izany, raha tsy misy ny fiovàna... ♦ Ankizivavy 13 taona no namoy ny ainy, noho ny firehetana trano tetsy amin'ny foibe Loterana Ambohibao omaly. Adim-pamantaran'ora telo vao voafehy ny afo, hoy ny fitantaran'ireo nanatri-maso... ♦ Manomboka ny fanadiovana ny Anjerimanontolo. Hesorina nanomboka omaly ireny voamarina fa tsy mpianatra nefa mipetraka ny mibodo ny trano natokana ho azy ireo eny amin'ny Cité Ankatso...
Ireto vokatry ny "Sacrosanctum Concilium : Fanavaozana lalina ny Lamesa, nampidirana ny fiteny teratany amin'ny litorjia ; Fandraisan'ny vahoaka anjara mavitrika, amin'ny hira, famaliana, famakiana Tenin'Andriamanitra ; Fiverenan'ny Lanjan'ny Soratra Masina ; Fanavaozana ny tetiandro litorjika ; Fiombonana amin'ny kolontsaina sy fiteny manerana ny tany...Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
♦ Notendren'ny Papa Léon faha-14 ho Eveka mpandimby toerana (Evêque coadjuteur) ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa ny sabotsy teo i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona... ♦ Ny 80% amin'ny solombavambahoaka lany tamin'ny alalan'ny IRMAR no efa nametra-pialana tao amin'ny vondrona parlemantera misy azy ary manohana ny asa fampandrosoana ataon'ny mpitondra ankehitriny... ♦ Nanandratra avo ny fanatanjahantena indray ny tsipy kanety be. Norombahan'i Madagasikara ny tompon-daka eran-tany ho an'ny olon-droa lahy sy vavy miaraka nandritra ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany ho an'ny tsipy kanetibe ho an'ny tanora taona 2025 natao tany Espagne...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco