♦ Nanao rano lava ny famindram-pahefana teo amin'ireo ministra vaovao sy ny teo alohany. Hiroso amin'ny fanovan-drafitra ny tafika Malagasy hoy ny Ministry ny Foloalindahy vaovao... ♦ Tontosa omaly teny amin'ny antenimieram-pirenena ny fifidianana ireo izay handrafitra ny birao maharitra vaovao. Voafidy ny filoha lefitra miisa enina. Kestora telo ary mpampaka-teny miisa roa... ♦ Miantso fakàn-kevitra ny Vovonana AMEN, mialohan'ny handaniana ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna 2026. Tokony handalina tsara mialohan'ny fandaniana izany ny solombavambahoaka... ♦ Hihaona amin'ny filoha Xi Jiping ny Filoha amerikana Donald Trump anio alakamisy...

Ny konsily Masina dia maniry hampitombo hatrany ny fiainam-panahy kristiana eo amin'ny mpino ; hanavao amin'ny filàn'ny vanim-potoana ankehitriny ny fomba sy rafitra sasany ao amin'ny Eglizy ; hampiraisana ny Kristiana rehetra ; ary ny hanamafisana ny antso ho amin'ny fiainam-pamonjena ho an'ny olona rehetra tsy ankanavaka...Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

• Minisitera maromaro no nahavita ny famindram-pahefana androany... • Misy tombana ataon'ny orinasa Colas sy Poma, mahakasika ny fitaterana teleferika. Miankina amin'ny mpitondra ankehitriny ny fanarenana sy ny fanohizana ny fampandehanana ity fitaterana an-tariby ity, hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Tanana Vaovao sy ny Toeram-ponenana teo aloha... • Miantso ny hisian'ny fakan-kevitra amin'ireo rehetra nitolona ho an'ny fanavaozana, ny Vovonana Amen, mialoha ny handaniana ny tetibolam-panjakana...

♦ Manampy ny fanjakàna Maorisiana amin'ny fanadihadiana atao amin'ilay mpandraharaha Mamy Ravatomanga ny sampam-pitsikilovana Amerikana FBI... ♦ 8 miliara Ariary, avy amina Kaonty amin'ny banky miisa 1.466 hatramin'izao no nogiazan'ny sampan-draharaha misahana ny figiazana ireo harena azo avy amin'ny tsy rariny (ARAI)... ♦ Fokontany Ambolamena, Kaominina Bongatsara : Nitrangàna fahapozinana ara-tsakafo tamin'ny alalan'ny "composé", maherin'ny 40 ireo voatery nahiditra hôpitaly... ♦ Mangetaheta fiadanana izao tontolo izao, hoy ny Papa Léon-XIV, tamin'ny lahateny nataony nandritra ilay fihaonambe iraisam-pirenena momba ny fandriampahalemana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...