♦ Nampidirina am-ponja vonjimaika, eny amin’ny fonjan’Avaradrano, ny ministry ny fitanterana sy ny famantarana ny toetr’andro, teo aloha, Ramonjavelo Valéry… ♦ Famatsiam-bola hatrany amin’ny 195 tapitrisa Ariary no nositrahin’ireo fiaraha-monim-pirenena miisa 30 anatin’ny tetik’asa Tady-Dago… ♦ Sakana tsy afahana manome fahafaham-po an’ny vahoaka Malagasy amin’ny raharaham-panjakana ny fisian’ny kolikoly amin’ny sehatra asa samihafa hoy ny fikambanana, ivondronan’ireo manam-pahaizana nivoaka tamin’ny sekoly ambony ENAM…

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...