♦ Efa ao anatin'ny fiatrehana tanteraka ny JMJ Mada X, ireo tanora rehetra manerana an'i Madagasikara, any amin'ny Diôsezin'Antsirabe. Maro ireo fandaharam-potoana efa natrehan'izy ireo. Entina amintsika ny andinindininy... ♦ Tamin'ny 20 hatramin'ny 25 aogositra 2022 no nanatanteraka ny Zaikabe iraisam-pirenena faha-8 ny Fikambanan'ny Mpitantana sy Mpiasa mandinika ny Baiboly, tany amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina...
02 septambra — I Masimbavy Ingrid dia zafikelin’ny mpanjaka tao Suède, zanak’i Knut mantsy ny reniny. I Knut io ilay mpanjaka tao Suède. Rehefa maty ny vadin’i Ingrid dia nandeha nanao fivahinianana tany amin’ny Tany Masina izy.
01 septambra — Teraka tamin’ny faraparan’ny taonjato fahafito tao Athènes ka nankany Provence mba hanokatra trano fitokana-monina i Gilles izay nanandray ny anarana hoe Gilles du Gard, ary nodimandry tao izy ny toana 710. Ny lalana nandevenana azy dia lalana mankany amin’ny Saint-Jacques-de-Compostelle.
31 aogositra — I Raymond Nonnat resahana amin’ity fanio ity indray dia teraka ny taona 1204 tao Portell tao Catalogne. Maty teo am-piterahana an’i Raymond ny reniny, ka izany no nahatonga ny anaram-bositra hoe Nonnat izany hoe "non natus" izay midika hoe tsy teraka.
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco