Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 7, 1-3. 15-17

Ianao dia Mpisorona mandrakizay araka ny fanaon’i Melkisedeka.

Ry kristianina havana,
io Melkisedeka io, izay mpanjakan’i Salema,
mpisoron’ny Avo indrindra,
nitsena an’i Abrahama fony izy avy nandresy mpanjaka maro, nitso-drano azy,
notoloran’i Abrahama ny ampahafolon’ny babony rehetra;
— “mpanjakan’ny fahamarinana” no hevitr’anarany voalohany,
vao “mpanjakan’i Salema” koa,
izany hoe “mpanjakan’ny fiadanana”;
tsy ray tsy reny izy,
tsy nanana tantaram-pirazanana izy,
tsy voalaza andro niandohana na niafaram-piainana —
ka nampitoviana tamin’ny Zanak’Andriamanitra,
dia mitoetra ho mpisorona mandrakizay.
Vao mainka hita mihamazavazava kokoa indray izany,
rahefa nisy Mpisorona hafa tokoa niseho
tahaka an’i Melkisedeka:
tsy mba voatendry araka ny didin’ny Lalàna momba ny nofo,
fa araka ny herin’ny fiainany tsy manam-pahataperana,
fa toy izao no anambaràna azy:

“Ianao no Mpisorona mandrakizay
araka ny fomban’i Melkisedeka.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 109, 1. 2. 3. 4

Ianao dia mpisorona mandrakizay araka ny fanaon’i Melkisedeka.

Tenin’ny Tompo amin’ny Tompoko:
“Mipetraha ankavanako,
mandra-panaoko ny fahavalonao
ho fitoeran-tongotrao!”

Ny tehinao mahery
ahinjitry ny Tompo:
“Avy ao Siôna,
manjakà hatr’anivom-pahavalo!”

Fa Anao ny fiandrianana
hatramin’ny andro nahaterahanao!
Fa Izaho niteraka Anao teo am-Bohitra Masina:
toy ny mazava atsinanana miteraka ny ando!

Hoy ny fianianan’ny Tompo
ka tsy hanenenany:
“Ianao mpisorona mandrakizay
araka ny fanaon’i Melkisedeka!”

 

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Velomy araka ny hatsaram-ponao aho,
mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny vavanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 3, 1-6

Inona no mety hatao ny sabata: ny mamonjy aina sa ny mamono?

Indray Sabata,
i Jesoa niditra tao amin’ny Sinagôga,
ary nisy lehilahy anankiray maty tanana an’ila tao.
Ary nizaha taratra Azy ny sasany
na hanasitrana an’io amin’ny sabata Izy na tsia,
mba hiampangany Azy.
Dia hoy Izy tamin’ilay lehilahy maty tanana:

“Mitsangàna etsy afovoany.”

Ary hoy koa Izy tamin’ny olona:

“Inona no mety hatao amin’ny sabata,
ny soa sa ny ratsy, ny mamonjy aina sa ny mamono?”

Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo.
Dia nijery azy rehetra tamin-katezerana Izy,
sy nalahelo noho ny hajamban’ny fony,
ary nilaza tamin-dralehilahy hoe:

“Ahinjiro ny tananao.”

Dia nahinjiny, ka sitrana ny tanany.
Ary lasa nivoaka ny Farisianina:
ka niaraka tamin’izay
dia niara-nihevitra tamin’ny Herôdianina
hanao izay hahavoazana Azy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...