Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 7, 25 — 8, 6

Indray mandeha monja Izy no nanolotra fanatitra tamin’ny nanolorany ny tenany.

Ry kristianina havana,
i Jesoa no mahavonjy marimarina izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany,
satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy ireo.
Eny tokoa, dia Mpisorombe toy izao no sahaza antsika:
masina, tsy manan-tsiny, tsy misy pentina, voaavaka amin’ny mpanota,
voasandratra avo noho ny lanitra;
ary tsy mila hanolotra sorona isan’andro toy ny mpisorombe hafa
ho an’ny fahotan’ny tenany aloha, dia ho an’ny vahoaka koa;
fa indray mandeha monja Izy no nanao izany
tamin’ny nanolorany ny Tenany, dia ampy.
Satria olona zoim-pahalemena no atsangan’ny Lalàna ho mpisorombe:
fa ny tenin’ny fianianana taorian’ny Lalàna kosa
dia manendry ny Zanaka,
izay tonga amin’ny fara fanaperana mandrakizay.
Fa izao no tompon’ny zavatra lazaina amin’izao,
dia ny ananantsika Mpisorombe toy izany,
izay mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’ny Avo indrindra any an-danitra,
mpandraharaha ao amin’ilay tena fitoerana masina
sy tena tranolay tsy naorin’olona,
fa naorin’ny Tompo.
Satria ny mpisorombe rehetra,
dia tendrena mba hanolotra fanatitra sy sorona,
ka tsy maintsy mba manan-katolotra koa izy.
Raha ety an-tany,
dia tsy mba ho mpisorona akory izy,
satria misy rahateo izay manolotra fanatitra araka ny Lalàna;
ireo dia sary sy tandindon’ny any an-danitra fotsiny
no fanompoana ataony araka ny natoron’Andriamanitra an’i Môizy
ilay efa hanao ny tranolay iny izy hoe:

“Tandremo mba ho vita araka ny ohatra naseho anao
tany an-tendrombohitra ny zavatra rehetra.”

Fa ny azy kosa dia fandraharahana ambony lavitra,
fa Mpanalalana amin’ny fanekena tsaratsara kokoa
sy miankina amin’ny fampanantenana ambony kokoa.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 39, 7-8a. 8b-9. 10. 17

Inty aho tamy, Tompoko. Ny manao ny sitrakao no mamiko.

Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra,
nosokafanao manko ny sofiko.
Tsia, tsy misy ilainao izay sorona dorana sy fanonerana:
ka hoy aho hoe: “Inty aho tamy.”

“Voasoratra ao amin’ny Boky ny momba ahy!
Ny manao ny sitrakao, ry Andriamanitro no mamiko!
Eny, ato anatin’ny foko
ny Lalànao!”

Torìko ao am-piangonam-be
ny fahamarinanao.
Fantatrao, ry Tompo;
tsy akomboko ny molotro.

Fa hifaly sy hiravo aminao kosa
izay rehetra mitady Anao;
ary izay tia ny vonjinao
hivolan-dava hoe: “Lehibe ny Tompo!”

 

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Araikao amin’ny fanambarànao ny foko ry Tompo,
ary ny lalanao no aoka hanenika ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 3, 7-12

Niantso ny fanahy ratsy nanao hoe: “Ianao no zanak’Andriamanitra”, fa norarany izy ireo mba tsy hanao izay hahafantarana azy.

Tamin’izany andro izany:
Lasa nankany amin’ny ranomasina
niaraka tamin’ny mpianany i Jesoa,
ary maro ny olona avy tany Galilea no nanaraka Azy.
Ary maro koa no tany Jodea sy Jerosalema,
sy tany Idomea, sy tany an-dafin’i Jordany,
ary tamin’ny tany manodidina an’i Tira sy Sidôna
no nankeo aminy nony nandre ny nataony.
Ary nilaza tamin’ny mpianany Izy
mba hanomana sambo kely hiandry Azy eo
noho ny habetsahan’ny vahoaka
fandrao dia poritin’ny olona Izy.
Fa nahasitrana olona betsaka Izy,
ka nifanesika hanendry azy
izay rehetra nanana aretina.
Ary raha nahita Azy koa ny fanahy maloto,
dia miankohoka eo anatrehany ka miantso Azy hoe:

“Ianao no zanak’Andriamanitra”;

fa rarany sy rahonany mafy izy ireo
mba tsy hanao izay hahafantarana azy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...