♦ Niakatra ho 86% ny tahan'ny fanaovam-bakisiny eto Madagasikara ankehitirny, raha toa efa tafidina ho 35% izany telo taona lasa. Mitentina 100 tapitrisa Dolara ny tetibola hiatrehana ny fandaharan'asa momba ny vakisiny eto Madagasikara amin'ity taona 2024 ity... ♦ Nametraka fotodrafitr'asa fivarotana rano fisotro madio ao Analakely, ny ao amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra... ♦ Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy omaly, ny fandrafetana ny drafitra hitantanana ny sehatry ny fiompiana eto Madagasikara, na ny PDSEM...
♦ Kandidà efatra no henjehina ara-pitsarana amin'izao mialoha ny fampielezan-kevitra izao. Ny roa amin'ireo no naiditra am-ponja vonjimaika... ♦ Niakatra 86% ny tahan'ny fanaovam-bakisiny eto Madagasikara ankehitriny. Tsy misy afa-tsy 35% io taha io, noho ny fielezan'ny tsaho nandritra ny krizin'ny Covid-19, teto amintsika... ♦ Mpitsidika maherin'ny 22.000 no andrasana mandritra ny FEPA andiany faha-16, eny Nanisana. Nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy androany io hetsika momba ny famokarana io...
♦ Mbola olana goavana eto amin'ny firenena ny kolikoly eny amin'ny fitsarana hatreny amin'ny fonja. Tsy ampy ny fandraisana andraikitry ny fanjakana hoy ny transparency international initiative Madagascar... ♦ Nasaina manokana nanatrika ny filan-kevitry ny ministra omaly ny teknisiana eo anivon'ny Banky Iraisam-pirenena, izay mpiara-miombon'antoka amin'ny Madagasikara eo amin'ny tetik'asa momba ny rano... ♦ Hahafantatra zava-baovao ankoatra ny voly fanondrana lavanila, ireo hanatrika ny andiany fahasivy amin'ny hetsika iraisam-pirenena ho an'ny faritra Sava, hoy ny governoran'ny Faritra Teddy Gervais Seramila... ♦ Maty nandritra ny tafika an'habakabaka nataon'ny Tsahal, ny antsasak'isa tamin'ireo mpitari-tafiky ny Hezbollah...
Ny mitaiza dia fampitana fahalalana ho tonga ho fahaizana ka ahazoana marim-pahaizana ary ahafahana miasa ; ny fanabeazana dia manomana olona ho tompon'andraikitra. Ny olona notezaina dia olona novolavolaina ho tompon-toerana, ary matetika tsy manome lanja ny hafa. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco