Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 2, 10b-16)

Tsy azon’ny olona ara-batana ny zavatra avy amin’ny Fanahin’Andriamanitra, fa ny olona ara-panahy no mitsara ny zava-drehetra.

Ry kristianina havana, mahafantatra ny zavatra rehetra ny Fanahy,
na dia izay lalina indrindra ao amin’Andriamanitra aza.
Iza ary no hahalala izay ao am-pon’ny olona,
afa-tsy ny fanahiny izay ao anatiny ihany?
Toy izany koa, tsy misy mahalala izay ao anatin’Andriamanitra
afa-tsy ny Fanahin’Andriamanitra ihany.
Ary isika tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao,
fa ny Fanahy avy amin’Andriamanitra,
mba hahalalantsika ny zavatra nomen’Andriamanitra antsika tamin’ny fahasoavany.
Tsy mba amin’ny teny ampianarin’ny fahendren’olombelona no ilazanay an’izany,
fa amin’ny teny ampianarin’ny Fanahy,
satria zavatra ara-panahy izany, ka lazainay amin’ny teny ara-panahy koa.

Tsy azon’ny olona ara-batana anefa ny zavatra avy amin’ny Fanahin’Andriamanitra;
ataony ho fahadalana izany, fa tsy hainy fantarina velively,
satria amin’ny Fanahy no hany amantarana izany.
Fa ny olona ara-panahy no mitsara ny zavatra rehetra,
sady tsy azon’olona tsaraina.
Satria zovy àry no mahafantatra izay hevitry ny Tompo, ka ho afa-mampianatra azy?
Fa isika manana ny hevitr’i Kristy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 144, 8-9. 10-11. 12-13ab, 13de-14

Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo.

Antra sy mangoraka ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po!
Tsara amin’ny olon-drehetra ny Tompo;
mambomba ny asany rehetra ny fangorahany!

Tompo ô! midera Anao ny asanao rehetra!
Misaotra Anao ny mpivavaka aminao!
Miresaka ny voninahitry ny fanjakanao izy ireo,
sy miteny ny asanao mahery.

Mba ho fantatry ny olombelona ny asanao mahery,
sy ny voninahitra sy harevaky ny fanjakanao!
Fanjakana mandrakizay tokoa ny Fanjakanao;
amin’ny taona mifandimby ny fifehezanao!

Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo,
ary tsara fo amin’ny asany rehetra!
Ny Tompo manohana izay rehetra lavo,
sy mampitraka izay mitanondrika.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 31-37)

Fantatro raha Ianao, dia Ilay Masin’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nidina tany Kafarnaôma tanànan’i Galilea,
ka nampianatra ny olona tamin’ny sabata,
ary gaga ny olona tamin’ny fampianarany,
satria niteny toy ny manam-pahefana Izy.
Tao amin’ny sinagôga dia nisy lehilahy azon’ny demony maloto,
ka niantso mafy nanao hoe:

“Aoka re, fa mifandraharaha inona aminao izahay, ry Jesoa avy any Nazareta ô?
Tonga handringana anay va Ianao?
Fantatro raha Ianao, dia ilay Masin’Andriamanitra.”

Fa notenenin’i Jesoa mafy izy nataony hoe:

“Mangina ary mialà amin’io lehilahy io.”

Dia nandavo azy tamin’ny tany teo afovoan’ny olona teo ny demony vao nivoaka niala taminy,
nefa tsy nandratra azy akory.
Talanjona izy rehetra, ka nifampilaza hoe:

“Teny manao ahoana re izany?
fa mandidy ny fanahy maloto amin-kery sy fahefana Izy,
dia miala ireny.”

Ary niely tamin’izany tany rehetra izany ny lazany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 septambra 2024

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...