♦ Zaza sy ankizy maherin'ny 1.000.000 isa no kendrena ho vita vaksiny fanefitr'ireo aretina samihafa hatramin'ny faran'ity taona 2024 ity. Natomboka omaly ny fanokafana ny herinandro Afrikana ho an'ny fanoavam-baksiny... ♦ Nametraka fepetra iadiana misimisy kokoa amin'ny kolikoly ny tahirim-bola iraisam-pirenena na ny FMI, ahafahan'i Madagasikara mahazo ny famatsiam-bola FEC... ♦ Misy amin'ireo kandidà solombavambahoaka no efa mampanantena poakaty amin'ny vahoaka, milaza fa hanao foto-drafitr'asa goavana rehefa lany, nefa tsy andraikitr'izy ireo izany... ♦ olona 51 no namoy ny ainy tany Gaza tao anatin'ny 24 ora farany, vokatry ny fanafihana nataon'ny tafika Israeliana...

♦ Zaza sy ankizy maherin'ny 1 tapitrisa no kendrena ho vita vakisiny fanefitr'ireo aretina samihafa, hatramin'ny faran'ity taona 2024 ity. Natomboka androany ny Herinandro Afrikana ho an'ny fanaovam-bakisiny... ♦ Nametraka fepetra iadiana misimisy kokoa amin'ny kolikoly ny FMI, ahafahan'i Madagasikara mahazo ny famatsiam-bola Facilité de crédit... ♦ Mbola tsy nihatra androany zoma ilay fandaminana vaovao momba ny fivarotana eny Analakely, napetraky ny Kaominina Antananarivo Renivohitra...

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

♦ Namaha olana amin'ny fahasarotana amin'ny famatsiana katsaka hatao sakafom-biby, ny fanafarana ity akora ity. Vahaolana vonjy maika manoloana ny tsy fahampian'ny katsaka anefa ny fanafarana, hoy ny IPA Madagascar... ♦ Vary maherin'ny 50 taonina no tsy maintsy nodorana ao Antsiranana noho ny fahasimbana. Natomboka omaly ny fandorana... ♦ Mitentina 100 tapitrisa Dolara ny tetibola hiatrehana ny fandaharan'asa momba ny vakisiny eto Madagasikara amin'ity taona 2024 ity...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...