♦ Tontosa omaly ny Eokaristia fanirahana ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly sy famaranana ny Fihaonambe Nasiônaly notanterahan'ny AFAFI-FET teto Madagasikara, tany amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana... ♦ Manentana antsika mianakavy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison, mba hanao hatrany ny vavaka isan-tokantrano hangatahana ny hanandratana ho Olomasina an'i Victoire Rasoamanarivo... ♦ Nanentana ny mpino hanaraka an'i Jesoa, na dia sarotra aza izany, ny Papa François nandritra ny vakaka Angelus omaly...

[audio src="/images/sound/mdl-20240826.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...