Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kô 3, 18-23)

Anareo ny zavatra rehetra, fa ianareo an’i Kristy ary i Kristy an’Andriamanitra.

Ry kristianina havana, aza misy mamita-tena;
fa raha misy aminareo manao ny tenany ho hendry amin’izao tontolo izao,
dia aoka ho adala izy mba ho hendry.
Satria ny fahendren’izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan’Andriamanitra,
araka ny voasoratra hoe:

“Ny hafetsen’ny hendry no hamandrihako azy”;

ary koa hoe:

“Fantatry ny Tompo ny hevitry ny hendry, ary fantany fa zava-poana izany.”

Koa aza misy manao olona ho reharehany, fa anareo ny zavatra rehetra,
na i Paoly, na i Apôlô, na i Sefasy, na izao tontolo izao,
na fiainana, na fahafatesana, na ny zavatra ankehitriny na ny zavatra ho avy:
anareo avokoa izany rehetra izany;
ianareo kosa an’i Kristy, ary i Kristy an’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 23, 1-2. 3-4ab. 5-6

An’ny Tompo ny tany sy izay mameno azy.

Ny tany, ny hareny: Azy Tompo avokoa;
dia izao rehetra izao ary izay monina ao.
Naoriny ambonin’ny rano izy ireny,
napetrany tsara eo ambonin’ny ony.

Koa zovy no hiakatra hihaona amin’ny Tompo;
hanorim-ponenana an-toerany masina?
Ny olon-tsy meloka, ny olo-mahitsy
sy izay tsy mianiana tsy tò amin’ny hafa.

Dia izy no hany hotsofina rano;
ny Tompo Mpamonjy hanome rariny azy.
Fa izy no dimbin’ireo izay nizaha
ny endrik’Ilay Andriamanitra Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 1-11)

Nandao ny zavatra rehetra izy ireo ka nanaraka Azy.

Tamin’izany andro izany, raha teo amoron’ny farihin’i Genezareta i Jesoa,
dia nifanesika nankeo aminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin’Andriamanitra.
Nahita sambo kely roa niantsona teo amoron-drano Izy
(fa niala hanasa ny haratony ny mpanarato),
dia niditra tamin’ny sambo kely anankiray izay an’i Simôna
ka nangataka taminy mba hihataka kely amin’ny tany,
vao nipetraka teo an-tsambo kely nampianatra ny vahoaka.

Rahefa nitsahatra niteny Izy, dia nanao tamin’i Simôna hoe:

“Mandrosoa eny amin’ny lalina,
dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano.”

Fa hoy ny navalin’i Simôna Azy:

“Tompoko, efa niasa mafy nandritra ny alina izahay,
fa tsy nahazo na inona na inona;
nefa noho ny teninao, dia halatsako ihany ny harato.”

Nony nanao izany izy, dia nahazo hazandrano be dia be
ka nisy rovitra ny haratony.
Ary nanàtsika ny namany izay teny amin’ny sambo kely hafa izy ireo
mba ho avy hanampy azy:
dia tonga ireo, nofenoiny ny sambo kely roa ka efa saika nilentika ny sambo.
Nony nahita izany i Simôna Piera dia niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa
ka nanao hoe:

“Mialà amiko, Tompoko, fa mpanota aho.”

Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy,
noho ny habetsahan’ny hazandrano azony;
ary toy izany koa i Jakôba sy i Joany, zanak’i Zebede izay iray raharaha tamin’i Simôna.
Dia hoy i Jesoa tamin’i Simôna:

“Aza matahotra, fa hatramin’izao dia hanarato olona ianao.”

Dia nampiantsona ny sambo kely tamin’ny tany niaraka tamin’izay izy ireo
ka namoy ny zavatra rehetra ary nanaraka Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 septambra 2024

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...