♦ Samy nodidin'ny HCC hiala tsy ho parlemantera intsony na ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa, na Razafimahefa Herimanana izay Filohan'ny Antenimieran-doholona teo aloha... ♦ Nampita hafatra ankolaka ho an'ireo nitsikera ny tolom-bahoaka eto amin'ny firenena ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina nandritra ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana 1947... ♦ Miaina anaty rano ny any Ambilobe vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza, miantso vonjy ankoatra izay ireo mponin'i Toamasina izay milomano anaty rano... ♦ Tamin'ny alalan'ny fahita-lavitra no nanarahan'ny Papa François ny lalan'ny Hazofijaliana omaly Zoma Masina...
Ao anatin'ny Herinandro Masina dia tokony hanana ny lanjany ny fanantenana sy ny famonjena, izay mifanaraka tsara amin'ny loha-hevitry ny fandaharana teo aloha. Ny fifananjana dia miainga amin'ny fomba fiankanjo, fiteny. Ny fifampitokisana no mitondra eo amin'ny fahamarinana mitarika fifankatiavana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Nampahatsiahy ny maha zava-dehibe ny fanosorana maha pretra, ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Raoelison Jean de Dieu, nandritra ny Sorona Masina fanamasinana menaka, teto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, teny amin'ny EKAR Antanimena... ♦ Mihena hatrany ny herin'ilay rivodoza Gamane, any amin'ny tapany avaratry ny nosy. Betsaka ny fahasimban'ny fotodrafitrasa naterany. Tanàna maro no dibo-drano ao amin'ny Faritra Sava sy Diana ary Analanjirofo...
♦ Miisa 891 ireo Pachypodium na Vontaka tratra tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, saika hahondra an-tsokosoko any ivelany... ♦ Very hasina ny fierenena no sady afa-baraka, hoy ny Fikambanan'ny Zanaky ny Faritra Atsimo Atsinanana, manoloana ny antsojay mihatra amin'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena amin'izao... ♦ Nahazo ivon-toerana "Centre Bébé Kangourou", hikarakarana manokana ireo zaza teraka tsy tonga volana sy tsy ampy lanja, ny hôpitaly eny Anosy Avaratra, Antananarivo Avaradrano...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco