♦ Hifarana anio alatsinainy ny fametrahana ny antontantaratasy eny amin'ny OVEC, eny anivon'ny Distrika ho an'ireo maniry ho fidiana ho solombavambahoaka amin'ny 29 mey ho avy izao... ♦ Nankalaza ny andro maneran-tany ho an'ny fahasalamana isika teto Madagasikara omaly 7 avrily... ♦ Efa manomboka midina ny vidin'ireo entana ilain'ny mponina andavanandro sasany raha ny nambaran'ny tale misahana ny varotra anatiny...  ♦ Nankalaza ny tsingerin-taona faha-30, nanombohan'ny von'olona faobe tany Rwuanda ity firenena ity omaly... ♦ Feno 6 volana katroka omaly 7 avrily ny nanombohan'ny ady ifanandrinan'i Israely sy ny vondrona Hamas Palestiniana...

Alahady faharoan'ny Paka sady alahadin'ny famindram-pon'Andriamanitra : mahery ny finoana omban’ny fanantenana sy fitiavana ; nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy, fa sambatra izay tsy nahita ka nino. Isika Kristiana dia mitovy amin'ny Thomas, indraindray isika dia tsy mbola matotra amin'ny finoana, sarotra ho antsika ny mino tanteraka ny tenin'Andriamanitra. Ny toetra nananan'i Thomas amin'ny finiavana handalina ny marina momba ny finoana no tokony ho amin'ny kristiana ka mba hazoto handalina ny finoana amin'ny alalan'ny katesisy... Ilana ezaka maro ny maha olom-pinoana...

♦ Tsy mahagaga raha mbola hihidy ny famatsiam-bola ho an'i Madagasikara, taorian'ireny fihetsiky ny fitondrana tamina diplômaty vahiny ireny hoy ny VHT, tamin'ny fanehoan-kevitry ny filoha nasiônalin'ity antoko ity... ♦ Olona 400 any ho any no voarohirohy amin'ny fananana azo avy amin'ny tsy rariny ho an'ny taona 2023, araka ny tatitry ny ARAI. Maro an'isa ny fanaovana kolikoly, sy ny fanodikodinana volam-panjakàna ary ny fanaparam-pahefana... ♦ Velaran-tany an'arivony hekitara no kasaina homena orinasa vahiny any an-tampon'i Ihorombe. Tsy manaiky izany ny fikambanan'ny mpiompy omby any an-toerana ka manaitra ny fitondràna ...

♦ Hifarana afaka 3 andro ny fe-potoana fanaterana antotantaratasy ho an'ireo hirotsaka ho fidiana ho solombavambahoaka amin'ny 29 mey 2024. Mbola tsy misy afa-tsy kandidà 1 na 2 no efa nanatitra izany eny anivon'ny OVEC... ♦ Tsy mandeha ny fiainan'ny orinasa JIRAMA, hoy ireo mpiasa ka ilaina ny fanendrena maika tale jeneraly vaovao. Nanao fanambaràna mitaky izany teny Ambohijatovo ambony ireo mpiasa sy ireo sendikàn'ny mpiasa am-polony, omaly... ♦ Efa voavaha ny olana ara-teknika an'ny famatsian-dranon'ny JIRAMA eny Mandroseza. Hiverina anio farafahatarany ny famatsiana ho an'ireo toerana tsy nisitraka izany teto Antananarivo hoy ny Ministry ny rano...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...