♦ Nanaporofo ny fisarahan-dalana eo aminy sy ny fitondrana ankehitriny ny filohan'ny antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa. Milaza ho vonona sy hijoro ho vahaolana ny tenany saingy mbola tsy namaritra mazava ny dingana ho atao amin'izany... ♦ Miala sasatra noho ny fiatrehana ny herinandro Masina hidirana any amin'ny Paka ny sekoly katôlika eto Madagasikara raha toa ka manohy ny fianarana toy ny mahazatra ny sekolim-panjakàna... ♦ Iniana tsy resahana fa antony iray mampirongatra ny fanolanana ny fahantrana. Misy ireo ray aman-dreny manao sorona ny zanany raha ny fanadihadiana nataon'ny mpanao gazety Rina Raymond... ♦ Nahatsiaro am-bavaka ireo olona 137 maty tao Moscou ny Papa François...

Alahadin'ny sampan-kazo : fahatsiarovana ny nidiran'ny Tompo tao Jerosalema sy fandinihana ny nijalian'i Jesoa Kristy. Ho antsika dia nanolon-tena i Kristy, nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana, ho valin'izany dia nasandratr'Andriamanitra ambony indrindra izy ary nomeny anarana ambony mihoatra ny anarana rehetra. Zavatra roa mifanohitra no hita taratra amin'ity fankalazana ity dia fifaliana, fiombiana ary fanamelohana, fivadiham-pitokisana. Misy ny tsy fahamarinana hita taratra tamin'ny fitsarana an'i Jesoa, mbola mitohy ny fijalian'i Jesoa isaky ny mandika izay voalazan'ny Evanjely, isika. Ho antsika izay hiaran'ny tsindry hazo lena dia ohatra ho antsika i Jesoa, banjino izy, raha mino isika dia hiara-velona aminy...

♦ Manamarika ny andro iraisam-pirenena ho an'ny famantarana ny toetry ny andro isika eto Madagasikara. Hifarana anio ny hetsika natokana anamarihana izany eny amin'ny Lapan'ny Tanàna Analakely... ♦ Haparitaka eny amin'ny tantsaha ilay karazam-bary Mavitrika vokatry ny fikarohana nataon'ny manam-pahaizana teto Madagasikara sy tany ivelany. Misy ny paik'ady momba izany hoy ny tompon'andraikitra... ♦ Notolorana fankasitrahana ireo mpianatra teny Japoney mendrika teny amin'ny Oniversite an'Antananarivo. Tsy ampy nefa ny mpampianatra... ♦ Notsipahan'ny rosianina sy ny sinoa tamin'ny alalan'ny didy tsy azo ivalozana ny volavolan-kevitra naroson'i Etazonia, mitaky ny hampihtoana ny ady any Gaza...

♦ Miantso ny hery velona sy ny ankolafi-politika tsy ankanavaka hanatrika ilay fihaonana hatao eny Tsimbazaza anio ny filohan'ny antenimieram-pirenena. Fihaonana hanehoana ny olana eto amin'ny Firenena sady hikatsahana vahaolana momba izany... ♦ Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy omaly ny amin'ny fampirantiana eny amin'ny zaridainan'Anosy ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana ny 29 marsa 1947... ♦ Nivory omaly sendikan'ny Mpiraki-draharaham-panjakàna eto Madagasikara. Herinandro no omen'izy ireo ny fitondrana hamaliana ny fitakiana, raha tsy izany handray fepetra amin'ny tohin'ny tolona izy ireo... ♦ Notafihin'ny kômandô mitam-piadiana alina ny efitrano fijerena fampisehoana iray tao Moscou any Rosia, maro ny maty...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...