• Mampanahy ny firaisamonim-pirenena ny fizotran'ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena, indrindra fa ny fanemorana indray ny fotoana hanombohana azy... • Nampahafantarina tamin'ny fomba ofisialy androany, ny firosoana ao anatin'ny rafitra nomerika i-SAVA... • Niadian-kevitra teny amin'ny UCM Ambatoroka androany, ny mahakasika ny asa fanaovan-gazety, manoloana ny firoborobon'ny tontolon'ny nomerika sy ny tambajotram-piarahamonina...

Mbola ambany ny tahan’ny vokatra ny ronono jifain’ny malagasy raha mihoatra amin’ny atsy Afrika sy ny any Eraopa. Tsy misy afatsy 7 kilao isan’olona isan-taona izany raha efa mahatratra hatrany amin’ny 60 kilao isan-taona isan’olona ny atsy Afrika. Isan’ny nivoitra izany androany nandritra ny fanamarihana ofisialy ny andro eran-tany hoan’ny ronono teny amin’ny zaridain’Antaninarenina ny 05 jona teo...

Ny fanomezan-drà an-tsitrapo dia fihetsika tsotra nefa mahavonjy aina maro. Zava-dehibe ny fahalalana ny fepetra sy ny fizotry ny fanomezana rà, ary koa ny tombontsoa entiny, mba hanesorana ireo ahiahy sy hevi-diso mbola misy. Amin’ny ankapobeny, afaka manome rà ny olona rehetra 18 hatramin'ny 70 taona , milanja 50kg fara-fahakeliny, ary mahatsiaro salama. Ny toe-pahasalamana , ny "voyage"  izay natao ary ny tantara ara-pahasalamana vao haingana (antécédents médicaux récents) , dia tombanana amin’ny alàlan’ny fanontaniana apetraka amin’ny fanomezana rà.

♦ Mikarakara varavarana misokatra, hetsika tafiditra anatin'ny fanamarihana ny faha-30 taonany ny Radio Don Bosco ny 24 jona 2026 izao. Tsy hifarana ny fankalazana raha tsy ny faha-31 janoary 2027... ♦ Manentana ny Malagasy hanamafy indray ny fitandremana ara-pahasalamana manoloana ny fiparitahan'ny valan'aretina MPox ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka. Distrika miisa 5 no tena ahitàna betsaka azy tao anatin'ny efatra herinandro... ♦ Manohana ny fampandrosoana ny fampianarana teny Anglsy eto Madagasikara ny governemanta amerikana. Atao eny amin'ny ENS Ampefiloha ny fihaonambe moma ny fampianarana teny Anglisy...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...