Ny fiarahan-dalana dia fifanatonan'ny olona na vondron'olona maromaro mba hiombona amina tanjona iray. Ny fiombonana indray dia fototra iray mampisy fahombiazana ao anatin'ny fiarahan-dalana. Ho an'ny fiainan'ny mpivady manokana dia mifanindran-dalana ny fiarahan-dalana sy ny fiombonana, rehefa miditra tanteraka amin'ny fiainan'ny andaniny ny ankilany. Mpiara-miombona antoka mitovy lenta ny mpivady, ary mifameno sy mifampiankina amin'ny ezaka hahatongavana amin'ny tanjona iombonana.
• Nitombo hery ka lasa “Forte Tempête Tropicale” ilay rivodoza Jude. Tany amin'ny 355 km andrefana somary avaratra andrefan'i Toliara no nisy ny foibeny tamin'ny 4 ora maraina... • Tsy maintsy hisy, fa tsy araka ny resaka mandeha ny isany, ireo trano horavana amin'ilay tetikasa Rocade mankety Ivato... • Hotanterahana anio ny fandevenana an'i Julien Rakotonarivo. Izy izay fantatra tamin'ny fiarovana sy ny fampiroboroboana ny lova ara-kolontsaina...
14 marsa — Teraka ny taona 890 i Masimbavy Mathilde, taranak'andriana ny reniny ary fanta-daza tao Ringelheim tao Saxe ny fianakaviany. Dietrich no anaran-drainy ary i Reinhild no reniny. Notezain'ny renibeny tany amin'ny trano fitokana-monina tao Erfurt i Mathilde.
14 marsa 2025 — Zoma, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy— Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany ka ho velona izy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 20-26)
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco