♦ Nahazo PDS vaovao ny tanàna an'i Toliara rehefa tsy nisy Ben'ny Tanàna nitantana intsony, tato anatin'ny volana vitsivitsy... ♦ Mbola hitohy amin'izao fiandohan'ny herinandro izao ilay dinika fakàn-kevitra hanomànana ny fifidianana eny Iavoloha. Hitondra ny heviny indray ireo ray aman-dreny ara-drazana sy ireo filoham-pirenena teo aloha... ♦ Tena nisy ilay marary maty tampoka teo am-pandidiana azy tao amin'ny Hôpitaliben'i Manakara noho ny fahatapahan'ny herinaratra... ♦ Trano lehibe iray nisy rihana maromaro indray no nirodana tany New Delhi, renivohitr'i Inde, omaly. Olona maro no voatsindrin'ny korontana...