17 marsa — Ny Patrice na Patrick, resahana ny 17 marsa dia ilay nantosina hoe Apôstôlin'i Irlande. Teraka tao Boulogne-sur-Mer tamin'ny taona 373 i Patrice ary heverina fa zanaka anabavin'i Masindahy Martin de Tours izy.
17 marsa 2025 — Alatsinainy, Herinandro Faharoa amin'ny Karemy— Ny tsara no tadiavo fa aza ny ratsy mba ho velona ianareo ka homba anareo ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 36-38)
Bokin’i Osea Mpaminany (Os 6, 1-6)
Tamin’izany andro izany,
nifampilaza ny vahoaka Israelita nanao hoe:
“Andeha isika hiverina amin’ny Tompo;
fa Izy no namiravira.
Izy no hahasitrana antsika;
mikapoka Izy,
nefa hamehy ny ferintsika koa.
Rahefa afaka indroa andro
dia hataony velona indray isika;
amin’ny andro fahatelo
dia hatsangany isika
ka ho velona eo anatrehany.
Mahalalà isika,
mikeleza aina hahalala ny Tompo isika.
Mahatoky, toy ny an’ny maraina, ny fiposahany;
ary ho avy amintsika
toy ny tandrifin-drahona,
toy ny fara orana manamando ny tany.”
Ary Andriamanitra namaly hoe:
“Inona no hataoko aminao, ry Efraima?
Inona no hataoko aminao, ry Jodà?
Fa ny fitiavam-bavakareo
dia tahaka ny rahona maraina,
tahaka ny ando amin’ny maraina
ka levona vetivety.
Noho izany,
nataoko potika, tamin’ny tenin’ny mpaminany,
novonoiko tamin’ny tenin’ny vavako izy ireo;
toy ny mazava miposaka no ho fitsarana anao.
Fa ny famindram-po no sitrako
fa tsy ny sorona;
ary ny fahalalana an’Andriamanitra
mihoatra noho ny sorona dorana.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 50, 3-4. 18-19. 20-21ab)
Iantrao aho, ry Tompo Andriamanitra,
fa Ianao manko lalim-pitiavana.
Mba koseho re ny heloka vitako,
dia diovy aho hiala amin’ny otako.
Lavinao tsotra izao ny fanatitra,
toy izany ireo sorona dorana;
ny fanahy torotoro, ry Tompoko,
io no sorona tianao hatolotro.
I Siôna omeo fitsimbinana,
mba areno ilay Jerosalemako.
Dia ho manitra indray ny fanatitra
sy ny sorona isan-karazany.
Voninahitra ho Anao, ry Kristy, Tenin’Andriamanitra.
Hitsangana aho ho any amin’ny raiko, ka hanao aminy hoe: “Dada ô, nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho.”
Voninahitra ho Anao, ry Kristy, Tenin’Andriamanitra.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 18, 9-14)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao ity fanoharana ity
tamin’ireo sasany natoky tena ho marina sy nanebaka ny namany:
“Nisy roa lahy niakatra nivavaka tany an-tempoly.
Farisianina ny iray, ary poblikanina ny anankiray.
Nitsangana ilay farisianina ka nivavaka tao am-pony hoe:‘Andriamanitra ô! misaotra Anao aho
fa tsy mba tahaka ny olona hafa izay mpangalatra,
tsy marina, mpijangajanga, na tahaka itsy poblikanina itsy akory aza;
mifady hanina indroa isan-kerinandro aho,
ary mandoa ny ampahafolon’ny fananako rehetra.’Fa ilay poblikanina kosa nijanona eny lavidavitra eny
sady tsy sahy niandrandra ny lanitra akory,
fa nandona ny tratrany nanao hoe:‘Andriamanitra ô! mamindrà fo amiko, fa mpanota aho.’
Lazaiko aminareo
fa ity no nidina efa nohamarinina tany an-tranony,
fa tsy ilay anankiray;
fa izay rehetra manandra-tena no haetry,
ary izay manetry tena no hasandratra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Osea Mpaminany (Os. 14, 2-10)
Izao no lazain’ny Tompo:
“Miverena amin’ny Tompo ry Israely,
fa ny helokao no nahalavo anao.
Mitondrà teny ianareo, miaraka aminareo,
ka miverena amin’ny Tompo;
lazao aminy hoe:‘Esory ny heloka rehetra ary raiso izay tsara.
Aoka hatolotray Anao ho solon’ny vantotr’ombalahy
ny teny avy amin’ny molotray.
I Asora tsy hamonjy anay,
izahay tsy hitaingin-tsoavaly’,na hiteny hoe:
‘Ry Andriamanitray ô!
amin’ny asan’ny tananay.
Ianao izay ahitan’ny kamboty fiantrana!’Hositraniko ny fiodinany;
ho tiako amin’ny foko tokoa izy,
fa efa niala taminy ny fahatezerako.
Ho toy ny ando Aho amin’i Israely;
ka haniry toy ny lisy izy,
ary handatsaka ny fakany tahaka an’i Libàna.
Ny rantsany hisandrahaka:
ny voninahiny, ho toy ny fototr’ôliva,
ary ny fofony manitra ho tahaka ny an’i Libàna.
Izy ho avy hiala sasatra ao ambanin’ny alokalony,
hampahavokatra ny vary indray;
haniry toy ny voaloboka izy;
ary ho tahaka ny divain’i Libàna ny anarany.
I Efraima, inona no mbola mba hataony any amin’ny sampy?
Izaho no efa mamaly ny fangatahany
sy mitsinjo azy tahaka ny sipresa maitso Aho;
Izaho no iavian’ny voanao.
Izay hendry no aoka hahafantatra izany zavatra izany,
izay manan-tsaina aoka hiaiky izany ho marina.
Fa mahitsy ny lalan’ny Tompo;
ka ny marina no hizotra eo,
fa ny mpiodina kosa, lavo aminy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 80, 6d-8a. 8bd-9. 10-11ab. 14 sy 17)
Fa inona moa izany teny reko,
toa teny tsy fantatro, teny hafa:
nalàko eo an-tsorony re ny bao
sy ny enta-mavesatra nolanjainy.
Niantso raha ory ka novonjeko,
tanaty oram-baratra novaliako.
Ianao, ry vahoakako mihainoa.
Ry Israeliko, mandrenesa.
Tandremo mitsaoka andriamani-kafa,
mandray ny andriamanitr’ireo vahiny.
Fa Izaho re no Tompo Andriamanitrao,
nampakatra anao avy tany Ejipta!
Indrisy raha nihaino Ahy ireo olon-tiako,
ka i Israely nanaraka Ahy:
Ny oloko ho nomeko vary kanto,
niampy tantely tam-batolampy!
Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!
Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.
Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 28b-34)
Tamin’izany andro izany,
nisy mpanora-dalàna anankiray nanatona an’i Jesoa
sy nanontany Azy hoe:
“Inona no voalohany amin’ny didy rehetra?”
Ary i Jesoa namaly azy hoe:
“Ny voalohany indrindra amin’izy rehetra dia ity:
Mihainoa, ry Israely:
Ny Tompo Andriamanitsika no hany Tompo tokana
koa tiavo ny Tompo Andriamanitrao
amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra,
sy amin’ny sainao rehetra ary amin’ny herinao rehetra.Izany no didy voalohany.
Ary ity no faharoa mitovy aminy koa:Tiavo ny namanao, tahaka ny tenanao.
Tsy misy didy lehibe mihoatra noho ireo.”
Dia hoy ilay mpanora-dalàna taminy:
“Tsara izany, ry Mpampianatra.
Marina indrindra ny nilazanao fa tokana Andriamanitra,
ary tsy misy hafa afa-tsy Izy,
ka ny tia Azy amin’ny fo rehetra,
sy amin’ny fanahy rehetra,
ary amin’ny hery rehetra,
ary ny tia namana tahaka ny tena,
dia lehibe lavitra noho ny sorona dorana rehetra
sy ny fanatitra hafa rehetra.”
Nony hitan’i Jesoa fa namaly tamim-pahendrena izy,
dia hoy Izy taminy:
“Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra ianao.”
Ary hatramin’izay,
dia tsy nisy olona sahy nanontany Azy intsony.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco