• Manahy ny hidiran'ny mpandraharaha tsy miankina hanana petra-bola eo anivon'ny orinasa Jirama, ny Sendikan'ny SMARM. Manosika azy ireo ho amin'izany fanahiana izany izay tapaky ny Filankevitry ny Minisitra tany Mahajanga... • Tsy tanteraka ny hetsiky ny Paramed eto Antananarivo, nanehoana fiombonam-po amin'ireo namany maty sy nisedra olana teo am-panatanterahana ny asany. Voasakana tsy hiditra ny Hopitaly HJRA izy ireo androany... • Tsy mbola ampy hitsarana ny mpanazatra Corentin Martins ny lalaon'ny Barea omaly, hoy i Maître Titi Rasoanaivo. Nambarany anefa fa nisy fiovana kosa ny ekipam-pirenena...

• Misy 20 mahery ireo endrika kolikoly mety mitranga amin'ny fanomezana tsenam-baro-panjakana eto amintsika, hoy ny Fahefam-panjakana mandrindra ny tsenam-baro-panjakana na ny ARMP... • Tonga manatanteraka iraka manokana eto amintsika ny Minisitra Delege eo anivon'ny Minisitera Eoropeanina misahana ny Raharaham-bahiny an'ny Francophonie sy ireo mpiara-miasa iraisam-pirenena, Andriamatoa Thani Mohamed Soihili... • Baobab nains, miisa 188 no sarona tany Mahajanga, raha 840 kosa no tra-tehaka tany Antsohihy. Saika hahondra an-tsokosoko avokoa izy ireo...

• Laharana voalohany vonjimaika ao amin'ny Vondrona 1 misy azy ny ekipam-pirenena Barea, tao aorian'ny lalao nifandonany tamin'i Centrafrique omaly. 4 sy 1 no isa nibatan'ny ekipam-pirenena malagasy ny fandresena... • Hanatanteraka hetsika ho firaisam-po ny Paramed manerana ny nosy anio alakamisy 20 marsa. Tsy hisy ny asa ataon'izy ireo eny anivon'ny CSB sy ny hopitaly, ankoatra ny fiandrasan-draharaha... • Belo Tsiribihina - Morondava : Nitrangana loza an-dranomasina namoizana ain'olona efatra ka ny roa olon-dehibe ary ankizy ny roa hafa. Mpandeha miisa 8 no mbola karohana...

20 marsa — Zanaky ny manam-boninahitra tao amin'ny tafik'i Clovis faharoa i Wulfran. Rehefa maty ny rainy dia niala tao amin'ny toby izy ka nozarainy tamin'ny mahantra ny fananany ary nomeny an'ireo mpitoka-monina tao Fontenelle ny taniny.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...