♦ Taranja efatra no vitan'ireo mpiadina amin'ny fanadinam-panjakana CEPE manerana ny nosy, nandritra ity tapany maraina ity... ♦ Moto hatrany amin'ny 200 isa mivezivezy no efa nampidirina valan-tsazy, noho ny tsy fanarahan-dalàna. Telo andro anio izao ny Pôlisim-pirenena no manao ilay “Opération Dona” an-dalambe ao an-drenivohitra... ♦ Olona mianaka no matin'ny lozam-pifamoivoizana tany Toamasina omaly maraina. Nofaohon'ny Taxi-brousse mpanao zotram-paritra ny Tuc-tuc nisy azy. Mpanampy mpamily no nitondra io fiara io...

♦ Hiatrika ny fanadianm-panjakana CEPE anio, ireo ankizy amin'ny kilasy Taona faha-5 manerana ny nosy... ♦ Miantso ny HCC hampihatra ny lalàna hiarovana ny safidm-bahoaka ny vondron'ny firaisamonim-pirenena Rohy... ♦ Tsy mbola naharay tatitra momba ny fitarainan'ny solontenan'ny mpiasa Malagasy tany amin'ny Fivoriamben'ny OIT tany Genève, ireo mpitarika sendilà hatramin'izao. Notsikerain'ny FISEMARE ny fomba nitondrana ireo solontenan'ny sendikà tany an-toerana...

♦ Miantso ny HCC, ny vondron'ny fiarahamonim-pirenena Rohy, mba hampihatra ny lalàna hiarovana ny safidim-bahoaka, ka tsy hitanila amin'ny famoahany ny voka-pifidianana... ♦ Mpiadina 529.000 no hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE manerana ny nosy, rahampitso... ♦ Tsy mbola naharay tatitra momba ny fitarainan'ny mpiasa Malagasy nentina tany Genève, ireo mpitarika sendikà, telo andro aty aorian'ny fivoriamben'ny OIT. Niresaka momba ity tranga ity ihany koa ny FISEMARE androany...

♦ Nankalazaina tamin'ny sabotsy sy alahady lasa teo ny Andro Maneran-tany faha-58 ho an'ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona, teto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Masera dimy mirahavavy ao amin'ny fikambanana Fo Masin'i Jesoa no nanonona ny voady mandrakizay tao amin'ny fikambanana, ny sabotsy lasa teo... ♦ Mamafy ny Evanjely, ary miandry amim-pitokiana ny fitombon'ny voa nafafy, io no nivoitra tamin'ny fampianaran'ny Papa François mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...