Ny ray aman-dreny dia manana adidy hampita ny tantara amin'ny taranaka mba hamelona ny fanantenana ao anatin'ny tanora. Mivaona tanteraka ny iainan'ny mpitondra ankehitriny ny teny filamatry ny repoblikan'i Madagasikara. Fitiavana-Tanindrazana-Fandrosoana ; ny fitiavana eto dia mirona amin'ny fitiavan-tena, fitiavam-bola, fitiavam-bola sy voninahitra ary harena ; noho ireo dia fandrosoana miiba no misy ho an'ny Tanindrazana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.