♦ Efa ôfisialy fa ny 11 desambra 2024 no daty hanatanterahana ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina eto amintsika. Nankatoavina ny didim-panjakana fiantsoana ny mpifidy amin'izany fifidianana izany... ♦ Hiaka-dapa eny Tsimbazaa rahampitso ny Praiminisitra, hanolotra ny fandaharan'asany ho fampandrosoana ny firenena... ♦ Mbola mitohy ny fitokonana faobe ataon'ireo mpiasan'ny FOFIFA manerana ny nosy, hitakiana ny fialan'ny Tale Jeneraly. Tsy manao afa-tsy fiandrasan-draharaha izy ireo hatramin'ny androany...
♦ Andriamatoa Randriamandrato Richard, Ministry ny raharaham-bahiny teo aloha no natolotry ny fitondrana Malagasy ho kandidà amin'ny fifidianana filohan'ny Vaomieran'ny vondrona Afrikana. Isan'ny hifanandrina aminy ny lehiben'ny mpanohitra any Kenya, Raïla Odinga... ♦ Miantso ny Bianco hanao fanadihadiana momba ny fomba fiasa sy ny fepetra noraisin'ny JIRAMA farany teo Profesora Ralison Roger. Manararao-pahefana ny mpitantana ao amin'ity orinasa ity hoy izy... ♦ Tokantrano 657.000 isa no hisitraka fanampiana amin'ilay fandaharan'asa ara-tsôsialy TSIMBINA. Ireo distrika 119, manerana ny nosy no hahazo anjara amin'izany... ♦ Andriamatoa Muhammad Yunus no voatendry hitantana ny governemanta any Bangladesh...
♦ Andriamatoa Razakamanantsoa Gaby Nestor no tale jeneralin'ny Bianco voavao, izy no handimby an'Andriamatoa Laza Erick Donnat Andrianiriana nahavita fe-potoam-piasana 5 taona tsy azo havaozina... ♦ Andro faharoa amin'ny FIER MADA ny anio. Nanomboka omaly hatramin'ny alahady izao eny amin'ny Maki Andohatapenaka ity Tsenabe iraisam-pirenena momba ny toe-karena ambanivohitra andiany faha-25 ity... ♦ Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy omaly ny tetik'asa AVOTSE. Ny hampihenana sy hanalefahana ny voka-dratsy ateraky y loza voajanahary toy ny hain-tany any amin'ny faritra atsimon'ny nosy no tanjona... ♦ Mihatra ao Koursk ny amehana amin'ny tany miady...
♦ Hampihena sy hanalefaka ny voka-dratsy ateraky ny loza voajanahary, toy ny haintany any amin'ny faritra atsimon'ny nosy, ny tetik'asa Avotse... ♦ Mihamahazo vahana tato ho ato ny herisetra sy ny fanararaotana ara-nofo, ary ny fanapariahana sary mamoafady mianjady amin'ny ankizy amin'ny alalan'ny Internet... ♦ Nanomboka androany ary haharitra dimy andro, eny amin'ny MAKI Andohatapenaka, ny FIERMADA, tsenabe mahakasika ny toekarena ambanivohitra eto Madagasikara...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco