Raha faritana araka ny finoantsika ny afo fandiovana dia toeram-pijaliana sy fanonerana izay handiovan'ny fanahy izay mbola tsy mendrika ny ho raisina hiditra any an-danitra. Tsy paradisa sady tsy afobe fa toerana manelanelana ny hafaliana tsy manam-petra sy ny toeran'ny fijaliana tsy misy farany ; toy ny afobe ihany izy raha jerena ny fangirifirian'ny fijaliana, ary manahatahaka ny Lanitra kosa izy amin'ny fahamasinan'ireo izay mitaraina; afo mandoro nefa manadio. Misy ny fijoroana vavolombelona isan-karazany mahakasika ny fisian'ny afo fandiovana, ary misy ihany koa ny vavaka mahakasika azy io.
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco