♦ Tontosa ny sabotsy 17 aogositra 2024, ny Andron'ny Diôsezy sy ny fankalazana ny fetin'i Victoire Rasoamanarivo Olontsambatra, teo ihany koa ny fankalazana ireo taon-jobily samihafa, ho an'ireo pretra avy eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Nifarana omaly ny Lasy Ravina andiany faharoa, ho an'ny Antilin'i Madagasikara ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... ♦ Mamonjy antsika i Jesoa amin'ny alalan'ny famelomany ny fiainantsika amin'ny azy mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianarana nentin'ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
♦ Hanalalaka ny fanehoan-kevitra sy hanery ny mpitondra amin'ny fomba fitantanana ny firenena ny fahazoan'ny mpanohitra ny fitantanana an'Antananarivo, hoy ny antoko Humaniste écologiste... ♦ Tokony esorina ny Tale jeneralin'ny Jirama amin'izao, fa sady tsy mahavaha olana no mbola karamaina lafo, hoy ny FIMZOMPAM. Nambaran'ity fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa ity fa vahaolana teo aloha no nambarany...
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 1, 26-31)
Ry kristianina havana, jereo ange izato ianareo voaantso e:
tsy firy no hendry araka ny nofo, tsy firy no mahery, tsy firy no avo razana,
fa izay ataon’izao tontolo izao ho adala
no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry;
izay ataon’izao tontolo izao ho malemy
no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery;
ary izay iva razana amana faneso amin’izao tontolo izao, dia ny atao ho tsy misy aza,
no nofidin’Andriamanitra hahatsinontsinona ny misy,
mba tsy hisy nofo hirehareha eo anatrehan’Andriamanitra.
Fa avy aminy no maha-ao amin’i Kristy Jesoa anareo,
dia ilay nataon’Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana
ary fahamasinana amam-panavotana ho antsika,
mba ho tanteraka ny voasoratra hoe:
Izay mirehareha, aoka ny Tompo no ho reharehany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 32, 12-13. 18-19. 20-21
Sambatra ny firenena tahin’Andriamanitra Tompony,
sy ny vahoaka nofidiny ho lovany!
Any an-danitra ny Tompo mitazana:
hitany avokoa ny zanak’olombelona.
Indro ny mason’ny Tompo amin’izay matahotra Azy,
sy amin’izay matoky ny hatsaram-pony,
hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana,
sy hamelona azy amin’ny tao-mosarena.
Ny fanahinay manantena ny Tompo.
Mpitahy anay Izy sy Ampinganay!
Izy no ifalian’ny fonay;
ny Anarany masina no ifefenay!
Aleloia. Aleloia.
Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 14-30)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza ity fanoharana ity tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Andriamanitra hanao tahaka ny lehilahy anankiray handeha hivahiny
ka niantso ny mpanompony sy nametraka ny fananany taminy.
Ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray;
samy araka ny fahaizany avy dia lasa nandeha izy.
Ilay nandray talenta dimy dia nandeha nampiasa izany, ka nahazo tombom-barotra dimy koa.
Toraka izany ilay nandray roa dia nahazo tombom-barotra roa koa;
fa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray kosa,
nandeha nihady tany, dia naleviny tao ny volan’ny tompony.Nony ela dia niverina ny tompon’ireo mpanompo ireo, ka nampamoaka azy ny amin’ny volany.
Dia nanatona ilay nandray talenta dimy, nitondra talenta dimy hafa koa
ka nanao hoe:
‘Talenta dimy, tompoko, no napetrakao tamiko, ary indreto nahazo tombom-barotra talenta dimy koa aho.’
Dia hoy ny tompony taminy:
‘Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky,
noho ianao nahatoky tamin’ny kely dia hataoko mpitantana ny be ianao:
miaraha mifaly amin’ny tomponao.’
Ary nanatona koa ilay nandray talenta roa, dia nanao hoe:
‘Talenta roa, tompoko, no napetrakao tamiko, ary indro nahazo tombom-barotra roa hafa aho.’
Dia hoy ny tompony taminy:
‘Tsara izany, ry mpanompo tsara, sy mahatoky,
noho ianao nahatoky tamin’ny kely, dia hataoko mpitantana ny be ianao:
miaraha mifaly amin’ny tomponao.’
Dia mba nanatona kosa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray ka nanao hoe:
‘Tompoko, fantatro fa olona lozabe ianao,
fa mijinja amin’izay tsy namafazanao, ary manangona amin’izay tsy nanahafanao,
ka natahotra aho, dia lasa naleviko tany anaty tany ny talentanao;
koa indro averiko aminao ny anao.’
Namaly ilay tompony ka nanao taminy hoe:
‘Ry mpanompo ratsy sady kamo,
fantatrao fa mijinja amin’izay tsy namafazako aho, ary manangona amin’izay tsy nanahafako;
koa tokony ho napetrakao tany amin’ny mpampanàna ny volako,
ary rahefa tonga aho dia ho nandray ny ahy omban-janany.
Alao àry ny talenta any amin’io ka omeo ilay manana talenta folo;
fa izay manana no homena, ka hanam-be izy,
fa izay tsy manana kosa dia halaina aminy mbamin’izay ananany aza.
Ary ilay mpanompo tsy vanon-ko inona dia ario any amin’ny maizina any:
any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.’”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 1, 17-25)
Ry kristianina havana,
tsy ny hanao batemy no nanirahan’i Kristy ahy, fa ny hitory ny Evanjely.
Tsy tamin’ny lahateny kanto anefa, fandrao foanan’izany ny Hazofijalian’i Kristy.
Fa hadalana ny fampianarana ny amin’ny Hazofijaliana ho an’izay very,
ary herin’Andriamanitra kosa izany amintsika voavonjy, satria voasoratra hoe:
Hofoanako ny fahendren’ny hendry; ary holaviko ny fahaizan’ny mahay.
Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitr’izao tontolo izao?
Tsy nahariharin’Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren’izao tontolo izao?
Fa noho ny fahendren’Andriamanitra,
dia tsy nahalala an’Andriamanitra ny fahendren’izao tontolo izao,
ka dia ny hadalan’ny fitorian-teny no sitrak’Andriamanitra hamonjena izay mino.
Fa ny Jody mila famantarana, ny Jentily mitady fahendrena,
ary izahay kosa mitory an’i Kristy voafantsika tamin’ny Hazofijaliana.
Fanafintohinana amin’ny Jody izany, ary fahadalana amin’ny Jentily;
fa i Kristy herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra kosa
amin’izay voaantso, na Jody na Jentily.
Fa izay toa fahadalan’Andriamanitra dia hendry noho ny fahendren’ny olombelona,
ary izay toa fahalemen’Andriamanitra dia mahery noho ny herin’ny olombelona.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 32, 1-2. 4-5. 10ab sy 11
Hobio ny Tompo, ry olo-marina:
dia Ilay mendrika hoderaina, ry olo-mahitsy!
Derao amin-dokanga ny Tompo;
antsao amim-baliha tory folo!
Fa mahitsy ny tenin’ny Tompo; ara-drariny ny asany rehetra;
ny fahamarinana sy ny hitsiny no tiany;
ny hatsaram-pon’ny Tompo manerana ny tany.
Ny Tompo mandrava ny fanampoizan’ny firenena,
sy manafoana ny fikasan’ny vahoaka.
Ny fanampoizan’ny Tompo maharitra mandrakizay;
ny fikasan’ny fony, amin’ny taranaka mifandimby.
Aleloia. Aleloia.
Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 1-13)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza ity fanoharana ity tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny virjiny folo izay naka ny fanalany,
ka lasa nitsena ny mpampakatra sy ny ampakarina.
Ny dimy tamin’izy ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry;
ny dimy adala nitondra fanala fa tsy nitondra solika;
fa ny hendry kosa nitondra fanala sy solika tamin’ny fitoeran-tsolika.
Ary noho ny fahelan’ny mpampakatra, dia samy rendremana izy rehetra ka natory.Fa nony nisasaka ny alina, dia nisy niantso mafy hoe:
‘Inty tamy ny mpampakatra, mandehàna mitsena azy ianareo.’
Tamin’izay, dia niarina ireo virjiny rehetra ireo ka nanamboatra ny jirony.
Ary hoy ny adala tamin’ny hendry:
‘Mba omeo kely amin’ny solikareo izahay, fa efa ho faty ny jironay.’
Hoy ny navalin’ny hendry azy:
‘Ndrao tsy ampy ho anay sy anareo,
fa aleo mankany amin’ny mpivarotra ianareo, ka mividiana ho anareo.’
Ary raha mbola nandeha hividy izy, dia tonga ny mpampakatra
ka izay efa niomana no niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady,
dia nohidiana ny varavarana.
Nony afaka kelikely, dia tonga kosa ireto virjiny sasany ka nanao hoe:
‘Tompoko, tompoko, vohay izahay.’
Fa hoy ny navaliny azy:
‘Lazaiko aminareo fa tsy fantatro akory ianareo.’
Koa miambena ianareo, fa samy tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco