Vakiteny voalohany

Fiantombohan’ny taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (2 Tes 1, 1-5. 11b-12)

Ankalazaina ao aminareo ny Anaran’i Jesoa Tompo sy ianareo koa ao aminy.

I Paoly sy i Silvano ary i Timôte mamangy ny Eglizy any Tesalônika
izay tafaray ao amin’ny Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo:
Homba anareo anie ny fahasoavana amam-piadanana
avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo.
Tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva izahay
noho ny aminareo, ry kristianina havana,
fa rariny izany, satria ny finoanareo, mandroso fatratra;
ny fifankatiavanareo, mitombo hatrany hatrany.
Tonga reharehanay any amin’ny Eglizin’Andriamanitra ianareo,
noho ny faharetanareo sy tsy fivadihanareo,
na dia ao anatin’ny fanenjehana amam-pahoriana rehetra manjò anareo aza.
Famantarana ny hamasinan’ny fitsaran’Andriamanitra izany,
dia mba hatao mendrika ny fanjakan’Andriamanitra izay antony iaretanareo ianareo,
ary mba hotanterahiny amin-kery avokoa ny faniriana tsara rehetra sy ny asan’ny finoanareo,
ka hankalazaina ao aminareo ny Anaran’i Jesoa Tompo,
sy ianareo koa ao aminy, araka ny fahasoavan’ny Andriamanitsika sy i Jesoa Kristy Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 9, 1-2a. 2b-3. 4-5

Ambarao ny firenena ny voninahiny.

Ihirao hira vao ny Tompo!
Ihirao ny Tompo, ry tany tontolo!
Hatramin’ny ranomasina
ka hatramin’ny ranomasina.

Torio ny Famonjeny mahafaly!
Ambarao amin’ny firenena ny voninahiny!
ny vahoaka rehetra,
ny Asany mahagaga!

Fa lehibe ny Tompo sy mendri-dera fatratra,
mahatahotra noho ny andriamanitra rehetra!
Ny andriamanitr’ireo vahoaka tsinontsinona avokoa.
Ny Tompo kosa nanao ny lanitra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Aza mba hamafisina ny fonareo anio fa henoy ny feon’ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 13-22)

Loza ho anareo, ry mpitarika jamba!

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny nanao hoe:

“Loza ho anareo mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy
fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra;
ka ny tenanareo tsy miditra, ny olona hiditra sakananareo.
Loza ho anareo, mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy,
noho ianareo mitetitety ny ranomasina sy ny tanety mba hahazo mpianatra na dia iray aza;
ka nony mahazo ianareo, dia ataonareo zanaky ny gehen’afo mihoatra indroa noho ianareo.
Loza ho anareo, ry mpitari-dalana jamba izay manao hoe:
Raha misy mianiana amin’ny tempoly, dia tsy mampaninona izany;
fa raha misy mianiana amin’ny volamena izay ao amin’ny tempoly, dia voafehy izy.
Ry adala sy jamba, iza no ambonimbony kokoa,
ny volamena sa ny tempoly izay mahamasina ny volamena?
Ary koa: Raha misy mianiana amin’ny ôtely, tsy mampaninona izany;
fa raha misy mianiana amin’ny fanatitra eo amboniny, dia voafehy izy.
Ry jamba, iza no ambonimbony kokoa,
ny fanatitra sa ny ôtely izay mahamasina ny fanatitra?
Koa amin’izany izay mianiana amin’ny ôtely,
dia mianiana aminy sy amin’izay rehetra eo amboniny;
izay rehetra mianiana amin’ny tempoly,
dia mianiana aminy sy amin’Ilay mitoetra ao anatiny;
ary izay mianiana amin’ny lanitra,
dia mianiana amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra, sy amin’izay mipetraka eo amboniny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Alahady faha-20 mandavantaona — B : Tena fihinana ny nofoko, tena fisotro ny rako ; ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana; hamasino amin’ny fahamarinanao izahay. Ampy hanafaka anoanana ny rehetra ny mofo masina, araka ny voalaza ao amin'ny Ohabolana : Avia hano ny mofoko, ary sotroy ny divay nampifangaroiko. Ilaozy ny tsy fahalalana, dia ho velona ianareo; ary mizora amin’ny lalan’ny fahazavan-tsaina”. Tena fihinana ny Nofoko, ary tena fisotro ny Rako hoy Jesoa ; mampisitraka fahasoavana maro ny fihinanana ny Vatan'i Jesoa ny Rany, ary mampandova ny fiainana mandrakizay. Ilàna fahamendrehana ny fandraisana ny Eokaristia, ilàna finoana, ilàna fanetrentena...

♦ Hirotsaka hofidiana ho Ben'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra, ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, raha ny nambarany androany... ♦ Efa tafaverina eto Madagasikara omaly alakamisy, ireo sokatra miisa 200 naondrana an-tsokosoko tany Comores... ♦ Efa miomana amin'ny fandraisana andraikitra sy ny fanaraha-maso ny aretina "Variole du singe", i Madagasikara...

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'Ambatondrazaka i Mompera Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, Rektoran'ny Seminera Zokiny fandalinana filôzôfia, ao Toamasina... ♦ Nomarihana tamin'ny fanombohan'ny volana aogositra teo ny JMJ andiany fahatelo ho an'ny Diôsezin'Ambanja...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...