♦ Tsy mankasitraka ny fihetsika ataon'ny governora sasany amin'ireo solombavam-bahoaka lany tamin'ny tsy miankina ny dépioté Voninahitsy Jean Eugène... ♦ Valan'aretina Covid-19, ny faritra Matsiatra ambony no maro an'isa tamin'ny tranga vaovao tamin'ny herinandro lasa teo, iray kosa no lavon'ny aretina izay tany amin'ny faritr'i Diana... ♦ Miaina krisy politika ny any Guatemala ankehitriny. 50 no maratra tsaboina any amin'ny hopitaly ho an'ireo mitaky ny fialàn'ny filoham-pirenena...  

Ny fanolanana dia fanaovana herisetra mahakasika ny mahalahy na ny mahavavy, izany hoe ireo faritra manentana ho amin'ny firaisana ara-nofo. Ny vady ao an-trano dia misy fotoana voasokajy ho mpanolana rehefa tsy eken'ny ankilany izany hoe ilay vady ny firaisana ara-nofo amin'ny maha mpivady azy, na ny lahy na ny vavy no manery. Ny zaza tsy nisitraka ny nonon-dreny na naharitra tamin'ny nono dia tsy afaka mifehy ny sainy intsony ka lasa miteraka fitsiriritana noho ilay fanabeazana... 

Alatsinainy 23 nôvambra 2020 — Herinandro faha-34 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 1-4 — Misaotra Anao aho, ry Ray Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.

Alahady 22 nôvambra 2020 — Fankalazana an'i Kristy Mpanjaka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 25, 31-46 — Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo, hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...