Alahady 29 nôvambra 2020 — Alahady voalohany amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 13, 33-37 — Asehoy anay, ry Tompo, ny famindram-ponao ! ary omeo anay ny famonjena avy aminao.
Sabotsy 28 nôvambra 2020 — Herinandro faha-34 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 34-36 — Miambena ary mivavaha mandrakariva, mba ho mendrika hitsangana hiseho eo anoloan’ny Zanak’Olona ianareo.
Ny vato : vato madinika miforona manentsina ny fantson'amany. Rehefa mafana toy izao ny andro dia misy ny tsy fahampian-drano amin'ny olombelona izay mora mampiforona ny vato. Ny tsy fahampian-tsakafo na tsy fahanjarian-tsakafo dia isany antony mampiforona ny vato. Tranga mety hiseho : marary ny lanivoho, misy rà kely ny fivalanan-drano ary manaintaina...
Matahotra ny olona momba ny VIH/Sida. Matahotra ny valin'ny fitiliana raha sanatria mitodra tsimokaretina, ny fiaraha-monina, ny vokatr'izany eo amin'ny fiainana. Mila miray hina sy mandray andraikitra ny rehetra handresena ny fipariahan'ny VIH sy ny Sida sy handresy ny tahotra...
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco