♦ Tomponandraikitra roa ao amin'ny Aviation Civile de Madagascar no nahiditra am-ponja, noho ny fanaovana antontantaratasy hosoka sy fanodikodinam-bola... ♦ Efa tafakatra 700 ka hatramin'ny 1.000 Ariary ny kapoakan'ny vary eto amintsika... ♦ Nanaiky ny hiroso any amin'ny dingana handraisan'Andriamatoa Joe Biden ny fitantanana an'i Etazonia ny filoha amerikàna Donald Trump...

Talata 24 nôvambra 2020 — Herinandro faha-34 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 5-11 — Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.

♦ Tsy afaka ny hifaninana amin'ny fifidianana filohan'ny CAF na ny Kaonfederasiona Afrikaninan'ny baolina kitra Andriamatoa Ahmad izay filoha ankehitriny, noho ny fanasazian'ny FIFA azy... ♦ Tsy mitsaha-miakatra ny vidim-bary, efa tafakatra 700 Ariary ny kapoakan'ny vary eto Antananarivo amin'izao... ♦ Manomboka ahitana fidinany tsikelikely ny isan'ireo matin'ny Covid-19 sy voatily famitondra ny tsimokaretina any Italia, tamin'iny faran'ny herindro iny...

♦ Mitsidika any amin'ny faritra atsimon'ny nosy ny Praiministra lehiben'ny governemanta sy ny mpiara-miombon'antoka amin'i Madagasikara. Laharam-pahamehan'ny fitondram-panjakana ny fanafoanana ny kere... ♦ Mitaky ny hanohizana ny ezaka efa natomboka amin'ny fanavaozana sy fanatsaràna ny fehezan-dalàna momba ny harena an-kibon'ny tany ny firaisamonim-pirenena... ♦ Hampahafantatra ny firafitry ny governemanta vaovao hotarihany manomboka rahampitso ny filoha amerikana vaovao... 

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...