Manoloana ny ezaka nataon'ny GERP na ny "Groupe d'Etude et de Recherche sur les Primates" eto Madagascar dia voaaro ny ala an'i Maromizaha. Paik'ady niarahana niasa tamin'ny Vondron'olona Ifotony. Nirana-niasa tamin'ny fokonolona ny GERP ka isan'ireny : Tangalamena, raiamandreny, vehivavy, tanora. Nanangana sehatra hifanankalozan-kevitra ny GERP ka io no mandinika ny zavatra rehetra hatao manoloana ny fandikan-dalana sy hanatsaràna ny tetikasa. Mba ho famporisihana ny olona sy hanamisana ny fifampifehezana dia nampiofanina hanao fiompiana akoho, fiompiana tantely, fiompiana trondro ny rehetra...
♦ Nisy nikasa hamono ny filohan'ny Repôblika ankehitriny. Efa nisy ny voasambotra. Nanambara ny vaovao alina ny tonia mpampanoa lalàna amin'ny fitsaràna ambony eto Antananarivo Razafiarivony Berthine... ♦ Nihaona tamin'ny filoha nasiônalin'ny Antoko TIM Marc Ravalomanana ny mpanolo-tsaina voalohan'ny masoivoho amerikana eto amintsika... ♦ NIdina tany amiin'ny Fokontany Antsahalava Kaominina Tsarazaza-Fandriana ny tompon'andraikitra isan'ambaratongany mba hampanara-dalàna ny fitrandrahana volamena ao Sahatorendrika...
♦Namatsy vola an'i Madagasikara 490 000 000 Dolara hamatsiana tetik'asa lehibe miisa efatra ny Banky Iraisam-pirenena. Vita sonia omaly teny Iavoloha ny fifanarahana... ♦ Hiaka-dapa indray ny mpikamban'ny andrim-panjakàna mpanao lalàna eto Madagasikara. Fivoriana tsy ara-potoana ho an'ny Parlemantera manomboka ny 03 Aogositra ho avy izao... ♦ Hifarana anio ny fanadinana BEPC ho an'ireo mpiadina nisafidy ny sokajy "A", raha toa ka efa vita omaly ny sokajy "B"...
Nanana fahasahiana ihany koa i Piera, hitantsika ao amin'ny Lk 22, 33 " vonon-kanaraka anao aho, Tompoko, na ho ao an-tranomaizina, na ho any amin'ny fahafatesana aza". Tena nanana fahasahiana i Piera ny hiara-maty amin'i Jesoa. Katesizy momba ny fahasahiana, iarahana amin'i P. Jean-Luc Ratovonjanahary.
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco